Tononkiran’i Solomona 5 - Malagasy Protestant Bible 2011

(Ralehilahy)

1Efa tonga eto an-tsahako aho, ry havako ampakariko;

mioty ny miorako mbamin’ny balisama aho;

efa homana ny toho-tanteliko mbamin’ny tanteliko aho,

ary efa misotro ny divaiko mbamin’ny rononoko.

(Olon-kafa)

Mihinàna ianareo, ry sakaizako, misotroa, eny, mivokisa divay, ry malala.

Namoha varavarana an-dRalehilahy Ravehivavy, kanjo tratra aoriana(Ravehivavy)

2Natory aho nefa nahatsiaro ihany ny foko;

Injay! Ny feon’ny malalako, izay mandondòna hoe:

Vohay aho, ry havako ampakariko,

ry voromailalako, ilay ahy tsy misy kilema

fa vonton’ando ny lohako;

ny voloko milantolanto dia kotsan’ny andon’ny alina.

3Efa niala akanjo aho, koa hataoko ahoana indray no fiakanjo?

Efa avy nanasa tongotra aho, koa hataoko ahoana ny handoto azy indray?

4Nampiditra ny tanany teo amin’ny lava-kombarika ilay malalako

dia nangorakoraka azy ny foko.

5Nitsangana hamoha varavarana ny malalako ihany aho

ary nitete miora ny tanako,

eny, nitete ranon’ny miora ny rantsan-tanako

teo amin’ny famohana ny hidim-baravarana.

6Namoha varavarana ny malalako aho,

kanjo efa nihodina izy ka lasa;

very hevitra tamin’ny fitenenany teo am-baravarana aho;

nitady azy aho nefa tsy nahita;

niantso azy aho nefa tsy novalìny.

7Nahita ahy ny mpiambina izay mandehandeha manao andrimaso eny an-tanàna,

dia nikapoka sy nandratra ahy;

ary nesorin’ireo mpiambina ny manda ny lamba fisaonako.

8Mampianiana anareo aho, ry zanakavavin’i Jerosalema:

Raha mba hitanareo re ny malalako,

dia ahoana no holazainareo aminy?

Lazao fa mararim-pitia aho.

(Olon-kafa)

9Inona ny malalanao mihoatra noho ny malala sasany,

ry tsara tarehy amin’ny vehivavy?

Inona ny malalanao mihoatra noho ny malala sasany,

no dia mampianiana anay toy izao ianao?

(Ravehivavy)

10Ny malalako dia sady fotsy mangatsakatsaka no mena,

notsongaina tamin’ny alinalina.

11Ny lohany dia toy ny tena volamena tsy miharo;

ny volony dia milantolanto sady mangiloilo toy ny an’ny goaika.

12Ny masony dia tahaka ny an’ny voromailala

eo anilan’ny sakeli-drano,

mandro amin’ny ronono

sady tahaka ny vatosoa nalatsaka an-tranontranony.

13Ny takolany dia tahaka ny tanim-boninkazo misy zavamanitra eo an-tsaha,

tahaka ny tilikambo misy voninkazo manitra.

Ny molony dia tahaka ny lisy

no sady mitete ranon’ny miora.

14Ny tanany dia tahaka ny haba volamena

voaisy krizolita;

ny tenany dia tahaka ny ivoara voalama tsara

no sady misarona safira;

15ny ranjony dia tahaka ny marbra fotsy

miorina amin’ny faladia volamena tsy miharo;

ny tarehiny dia tahaka an’i Libanona,

tsara toy ny sedera.

16Mamy dia mamy ny vavany,

eny, maha te ho tia avokoa ny aminy.

Toy izany ny malalako, ary toy izany ny sakaizako,

ry zanakavavin’i Jerosalema!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help