Filipiana 4 - Malagasy Protestant Bible 2011

1Ary amin’izany, ry rahalahy sady malalako no mahamanina ahy, fifaliako sy satroboninahitro, tomoera tsara ao amin’ny Tompo ianareo, ry malalako!

Mifalia ao amin’ny Tompo

2Mananatra an’i Eodia aho ary mananatra an’i Sintike mba hiray saina ao amin’ny Tompo izy ireo.

3Eny, mangataka aminao koa aho, ry ilay tena mpiara-miasa amiko, manampia azy roa vavy fa niara-niasa fatratra tamiko teo amin’ny Filazantsara izy ireo, mbamin’i Klementa sy ireo mpiara-miasa amiko sisa, izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana ny anarany.

4Mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo; hoy indray aho: Mifalia!

5Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny fandeferanareo. Efa akaiky ny Tompo.

6Aza manahy na amin’ny inona na amin’ny inona fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra.

7Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.

8Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha te ho tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy ary raha misy dera, dia hevero izany.

9Ataovy izay efa nianaranareo sy efa noraisinareo ary efa renareo sy efa hitanareo tamiko. Ary ho aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana.

Fanatitra ankasitrahan’Andriamanitra ny fanomezana natolotrareo

10Ary faly indrindra ao amin’ny Tompo aho satria nampitsimohanareo indray ankehitriny ny fiheverana ahy, izay efa noheverinareo rahateo, saingy tsy mbola nahita andro hanaovana izany ianareo.

11Tsy filan-javatra anefa no ilazako izany satria efa nianatra tsy hierina aho na manao ahoana na manao ahoana.

12Mahay mivelona amin’ny fahantrana aho ary mahay mivelona amin’ny fananam-be; na aiza na aiza, ary na amin’ny inona na amin’ny inona, dia efa nampianarina ny ho voky sy ho noana ary hanam-be sy hahantra aho.

13Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’Ilay mampahery ahy.

14Kanefa nanao soa ianareo tamin’ny niarahanareo ory tamiko.

15Ary fantatrareo koa, ry Filipiana, fa tamin’ny niandohan’ny Filazantsara, rehefa niala tany Makedonia aho dia tsy nisy fiangonana nifampiraharaha tamiko ny amin’ny fanomezana ho ahy sy izay avy amiko, afa-tsy ianareo ihany.

16Fa fony tany Tesalonika aza aho dia nampanatitra zavatra hahasoa ahy indray mandeha amana indroa ianareo.

17Nefa tsy toy ny mitady ny fanomezana no ilazako izany; fa mitady ny vokatra izay hitombo ho voninahitrareo aho.

18Manana ny zavatra rehetra aho sady manana amby ampy aza; feno aho, rehefa nandray tamin’i Epafrodito ilay zavatra nampitondrainareo, dia hanitra mani-pofona, fanatitra tian’Andriamanitra sady ankasitrahany.

19Koa Andriamanitro anie hanatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny harenany amin’ny voninahitra ao amin’i Kristy Jesosy.

20Ary ho an’Andriamanitra Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amena!

Fanaovam-beloma

21Manaova veloma ny olona masina rehetra ao amin’i Kristy Jesosy. Manao veloma anareo ny rahalahy izay ato amiko.

22Manao veloma anareo ny olona masina rehetra, indrindra fa ny ankohonan’i Kaisara.

23Ho amin’ny fanahinareo anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompo!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help