Mpitsara INDRAY MIJERY - Malagasy Protestant Bible 2011
INDRAY MIJERYNy votoatin’ny BokyAtao hoe Mpitsara ny anaran’ireo mpitondra teo anelanelan’i Josoa sy ireo mpanjaka. Izy ireny anefa dia tsy nisy izay tena nanao ny raharahan’ny mpitsara, ankoatra an’i Debora sy i Samoela ihany. Ny tena izy dia mpitari-tafika izay namonjy ny Israely tamin’ny fahavalony izy ireny.Toy izao ny filazana miverimberina ao anatin’ny Boky:Nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO ny Israely ka nanadino Azy, dia natolony teo am-pelatanan’ny fahavalony; nitaraina tamin’Andriamanitra izy dia nandefasany Mpitsara izay namonjy azy; rehefa maty anefa izany Mpitsara izany dia niverina tamin’ny ditrany ny olona, dia natolotr’Andriamanitra teo am-pelatanan’ny fahavalo, dia nitaraina, dia nandefasan’Andriamanitra Mpitsara hafa indray.Ny Boky dia mifarana amin’ny filazana hoe: «Tsy nisy mpanjaka teo amin’ny Israely tamin’izany andro izany; fa samy nanao izay noheveriny ho marina avy izy rehetra.»Ny firafitry ny BokyFitarihanteny. Filazana momba ny nahazoana ny tany Kanana. Ilay Anjelin’NY TOMPO tao Gilgala: 1.1–2.5Ny tantaran’ireo Mpitsara: 2.6–16.31Ny fokon’i Dana nifindra toerana sy nanorina toeram-pivavahana ho azy manokana: 17–18Ny heloka bevava nataon’ny mponina tao Gibea sy ny namalian’ny Benjaminita azy: 19–21