Jeremia 4 - Malagasy Protestant Bible 2011

1Raha hiverina ianao, ry Israely, dia miverena Amiko,

hoy NY TOMPO;

ary raha hanaisotra ny fahavetavetanao tsy ho eo imasoko ianao

ka tsy hivezivezy foana,

2fa hianiana amin’ny hitsiny sy ny rariny ary ny fahamarinana hoe: Raha velona koa NY TOMPO

dia handray fitahiana avy Aminy ny firenena

sady afaka hirehareha ny Aminy.

3Fa izao no lazain’NY TOMPO amin’ny olon’ny Joda sy Jerosalema:

Miasà tany vao ho anareo ianareo

fa aza mamafy amin’ny tsilo.

4Miforà ho an’NY TOMPO ianareo,

eny, forao ny fonareo,

ry Joda sy ry mponina any Jerosalema!

Fandrao hiseho toy ny afo ny fahatezerako

noho ny ratsy ataonareo

ka hirehitra,

sady tsy hisy afaka hamono azy.

Hiaka fanairana ao amin’ny Joda

5Ambaraonareo ao amin’ny Joda,

ary torio ao Jerosalema,

ka lazao hoe: Tsofy ao amin’ny tany ny anjomara!

Miantsoantsoa mafy ka lazao hoe:

Mivoria ianareo, ary andeha isika hiditra amin’ny tanàna mimanda!

6Manangàna faneva manandrify an’i Ziona;

mandosira haingana, aza mijanona;

fa Izaho hahatonga loza avy any avaratra,

dia fandringanana be.

7Misy liona miakatra avy any anaty kirihitrala,

ary ilay mpanimba ny firenena dia efa miainga,

efa mivoaka avy amin’ny fitoerany

hahafoana ny taninao

ary hahalao ny tanànanao,

ka tsy hisy mponina.

8Ary noho izany dia misikìna lamba fisaonana ianareo

ka mitomania sy midradradradrà;

fa tsy afaka amintsika ny firehetan’ny fahatezeran’NY TOMPO.

9Ary amin’izany andro izany,

hoy NY TOMPO,

dia ho very hevitra ny mpanjaka sy ny lehibe,

ho kepoka ny mpisorona

ary ho gaga ny mpaminany.

10Dia hoy aho: Indrisy, RY TOMPO Andriamanitra ô!

Efa nofitahinao tokoa ity firenena ity sy Jerosalema

tamin’ny nilazanao hoe: Hisy fiadanana ho anareo;

kanjo mihatra amin’ny aina ny sabatra.

11Amin’izany andro izany dia holazaina amin’ity firenena ity sy Jerosalema hoe:

Hisy rivo-mahamay avy any an-tendrombohitra mangadihady any an-tany efitra

hankany amin’ny oloko, zanako vavy,

kanefa tsy hikororohana na hanadiovana.

12Fa izany dia rivotra mahery

izay nirahiko avy amin’ireny,

ary ankehitriny kosa dia hifandahatra aminy Aho.

13Indro, avy toy ny rahona izy,

ary tahaka ny tadio ny kalesy fitondrany miady,

haingana noho ny voromahery ny soavaliny.

Lozantsika! Fa lany ringana isika.

14Ry Jerosalema, sasao ny fonao ho afaka amin’ny ratsy

mba hamonjena anao!

Mandra-pahoviana no hitoeran’ny

hevi-dratsinao ao am-ponao?

15Fa injany misy feo manambara avy any Dana

ary misy filazam-pahoriana avy amin’ny tany be havoana any Efraima.

16Lazaonareo amin’ny firenena,

torio amin’i Jerosalema hoe:

Misy mpanao fahirano avy any an-tany lavitra

ka manakora hamely ny tanànan’ny Joda.

17Manodidina an’i Jerosalema ireo

toy ny fanaon’ny mpiandry saha,

fa nikomy Tamiko izy,

hoy NY TOMPO.

18Ny alehanao sy ny asanao no nahatonga izany taminao;

izany no vokatry ny faharatsianao,

eny, mangidy izany

sady mihatra amin’ny ainao.

Mararin’ny loza tsinjony mialoha i Jeremia

19Endre ny kiboko! Endre izany kiboko!

Manaintaina aho; endre! Mila ho vaky izany ny foko!

Mitoloko ny foko ka tsy mahay mangina aho;

fa reko ny feon’anjomara

sy ny akoran’ady.

20Fandravana mifanontona no ambara,

rava ny tany rehetra;

rava tampoka ny tranolaiko,

eny, rava indray mipy maso monja ny ambaindaiko.

21Mandra-pahoviana re no mbola hahitako ny faneva

sy handrenesako ny feon’anjomara?

Ny fijerin’Andriamanitra ny olony

22Fa adala ny oloko,

Izaho tsy mba fantany;

zaza tsy misy saina izy

sady tsy manam-pahalalana;

raha ny hanao ratsy dia kinga izy;

fa ny hanao soa kosa dia tsy fantany.

Miverina ho tsy misy endrika sy foana

23Nojereko ny tany

ka indro, tsy nisy endrika izy sady foana,

ary ny lanitra koa,

indro, tsy teo intsony ny fahazavany.

24Nojereko ny tendrombohitra

ka indro, nihorohoro izy,

ary nihozongozona ny havoana rehetra.

25Nojereko

ka indro, tsy nisy olona,

ary efa nandositra ny voromanidina rehetra.

26Nojereko

ka indro, Karmela aza dia tonga tany efitra,

ary ny tanànany rehetra dia rava teo anatrehan’NY TOMPO,

teo anoloan’ny firehetan’ny fahatezerany.

27Fa izao no lazain’NY TOMPO:

Ho lao ny tany rehetra,

nefa tsy dia holevoniko avokoa izy akory.

28Noho izany dia hisaona ny tany

ary ho tonga mainty ny lanitra ambony

satria efa niteny izany Aho, sady efa nikasa izany

ka tsy hanenina

na hanatsoaka izany.

Jerosalema manoloana ireo mpamono olona

29Noho ny fihorakoraky ny mpitaingin-tsoavaly sy ny mpandefa tsipìka

dia mandositra avokoa ny tanàna rehetra;

mitsofoka any anatin’ny kirihitrala

sy mananika ny vatolampy izy;

lao avokoa ny tanàna rehetra

ka tsy misy mponina intsony ao.

30Ary hanao inona ianao, ry ilay rava?

Na dia miakanjo jaky aza ianao,

na dia miravaka volamena aza ianao,

na dia hosoranao loko mainty aza ny masonao,

dia foana ny itadiavanao hahatsara tarehy anao;

hanifika anao ireo lehilahy tia anao

ka ny ainao aza dia hotadiaviny.

31Fa efa nandre feo tahaka ny an’ny vehivavy eo am-piterahana aho

sy fidridridridriana tahaka ny vehivavy izay vao miteraka ny voalohan-janany,

dia ny feon’i Ziona zanakavavy

izay misefosefo

sy mamelatra ny tanany

no sady miteny hoe: Lozako!

Fa reraka ny aiko azon’ireo mpamono olona.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help