Apokalipsy 8 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ny tombo-kase fahafito sy ny lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra

1Rehefa novahany ny tombo-kase fahafito dia nangina tokony ho antsasaky ny ora iray ny tany an-danitra.

2Ary hitako ny anjely fito izay mitsangana eo anatrehan’Andriamanitra; nomena trompetra fito ireo.

3Ary nisy anjely iray koa tonga ka nitsangana teo ambonin’ny alitara; nitondra lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra izy. Nomena ditin-kazo manitra betsaka izy mba hatolony izany miaraka amin’ny vavaky ny olona masina rehetra eo ambonin’ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra, izay eo anoloan’ny sezafiandrianana.

4Ary ny setroky ny ditin-kazo manitra mbamin’ny vavaky ny olona masina dia niakatra avy eo an-tanan’ny anjely ho eo anatrehan’Andriamanitra.

5Ary ny anjely dia nandray ny lovia fandoroana ditin-kazo manitra ary nameno azy tamin’ny afo teo amin’ny alitara ka nanipy izany tamin’ny tany ary nisy kotrokorana, feo, tselatra ary horohoron-tany.

Ny trompetra enina voalohany

6Ary ny anjely fito izay nanana ny trompetra fito dia niomana hitsoka.

7Nitsoka ny voalohany, dia nisy havandra sy afo miharoharo ra ka nararaka tamin’ny tany izany; ary may ny ampahatelon’ny tany, may ny ampahatelon’ny hazo, ary may koa ny ahi-maitso rehetra.

8Nitsoka ny anjely faharoa dia nisy toa tendrombohitra lehibe mirehitra afo natsipy tany an-dranomasina. Tonga ra ny ampahatelon’ny ranomasina

9ka maty ny ampahatelon’ny zavamananaina tao an-dranomasina ary potika ny ampahatelon’ny sambo.

10Nitsoka ny anjely fahatelo dia nisy kintana lehibe mirehitra toy ny fanilo nilatsaka avy tany an-danitra. Latsaka tamin’ny ampahatelon’ny ony sy tamin’ny loharano izany.

11Ny anaran’ilay kintana dia atao hoe Zava-mangidy; tonga mangidy ny ampahatelon’ny rano ary maro ny olona no matin’ny rano satria nangidy izany.

12Nitsoka ny anjely fahefatra dia nokapohina ny ampahatelon’ny masoandro sy ny ampahatelon’ny volana ary ny ampahatelon’ny kintana, mba ho maizina ny ampahatelony ka tsy hazava ny ampahatelon’ny andro ary ho toy izany koa ny alina.

13Dia hitako sy reko, nisy voromahery iray nanidina teny afovoan’ny lanitra, izay niteny tamin’ny feo mahery hoe: Loza, loza, loza no hanjo an’izay monina eny ambonin’ny tany noho ny feon’ny trompetra izay mbola hotsofin’ny anjely telo!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help