Salamo 8 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ny voninahitry ny anaran’AndriamanitraHo an’ny mpiventy hira. Al-hagitit. Salamo nataon’i Davida.

1RY TOMPO Andriamanitray ô,

endre ny voninahitry ny anaranao amin’ny tany rehetra!

Nataonao eny amin’ny lanitra ny famirapiratan’ny voninahitrao.

2Avy amin’ny vavan’ny ankizy madinika sy ny zaza minono

no nanorenanao manda mafy eo anatrehan’ny mpandrafy Anao

mba hampanginanao ny fahavalo sy izay ta hamaly ratsy.

3Raha jereko ny lanitra izay asan’ny rantsantananao

sy ny volana aman-kintana izay nampitoerinao

4inona moa ny olona no ahatsiarovanao azy?

Ary inona ny zanak’olombelona no amangianao azy?

5Fa nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy

ary nosatrohanao voninahitra sy famirapiratana.

6Nampanjakainao amin’ny asan’ny tananao izy,

nataonao eo ambanin’ny tongony ny zavatra rehetra,

7dia ny ondry aman’osy sy ny omby rehetra

ary ny bibidia koa,

8ny voromanidina sy ny hazandrano any an-dranomasina

izay mandeha amin’ny lalan-dranomasina.

9RY TOMPO Andriamanitray ô,

endre ny voninahitry ny anaranao amin’ny tany rehetra!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help