Salamo 141 - Malagasy Protestant Bible 2011

TOMPO ô, ambeno ny teny lazaikoSalamo nataon’i Davida.

1TOMPO ô, miantso Anao aho, faingàna hankaty amiko;

henoy ny feoko amin’ny fiantsoako Anao.

2Aoka hankeo anatrehanao mandrakariva toy ny ditin-kazo manitra ny vavaka ataoko

ary ho toy ny fanatitra hariva ny fanandratako ny tanako.

3TOMPO ô, asio fiambenana ny vavako;

ambeno ny varavaran’ny molotro.

4Aza avela hirona ho amin’ny zava-dratsy ny foko

hiray raharaha amin’ny olona mpanao ratsy

ka hanao izay asa tsy mety,

ary aoka tsy hihinana ny haniny matsiro aho.

5Aoka ny marina hamely ahy

amin’ny fahalemem-panahy ka hananatra ahy, fa diloilo ahosotra ny lohako izany,

ary aoka tsy handa izany ny lohako;

fa ny hany heriko dia ny mbola hivavaka ihany noho ny faharatsian’ireny.

6Havarina amin’ny hantsam-bato ny mpitsara azy,

dia hankasitraka ny teniko ny olona fa mamy izany.

7Toy ny fiasa sy ny fihevo ny tany

no nanelezana ny taolanay teo am-bavan’ny fitoeran’ny maty.

8Fa Ianao no andrandrain’ny masoko, TOMPO Andriamanitra ô;

Ianao no ialofako,

aza mandatsaka ny aiko.

9Arovy aho amin’ny fandrika amandrihany ahy

sy amin’ny tadivavaran’ny mpanao ratsy.

10Aoka ho latsaka eo anatin’ny fandrika nataony ihany ny ratsy fanahy

fa izaho kosa dia handalo fotsiny.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help