2Korintiana INDRAY MIJERY - Malagasy Protestant Bible 2011
INDRAY MIJERYAvy any Makedonia any Gresy no nanoratan’i Paoly ity epistily faharoa ho an’ny Korintiana ity, taorianan’ny niverenan’i Timoty tamin’ilay dia voalaza ao amin’ny 1Kor 4.17 sy 16.10. Iray na roa taona taorianan’ny epistily voalohany no heverina fa nanoratany ity epistily faharoa ity. I Titosy no nitondra izany.Ny votoatin’ny EpistilyNa dia nisy vokany ihany aza ny epistily voalohany dia mbola nandalovan’ny apostoly sandoka indray tao Korinto ka nampikorontana ny Fiangonana izany. Toa tsy afa-po i Paoly raha tsy namangy vetivety tany indray sady mbola nanoratra ho azy ireo. Nivahiny tany Korinto koa i Titosy ary nitondra vaovao tsara avy tany izay mba nampionona an’i Paoly. Nisaotra ny Korintiana noho izany izy ary nanararaotra nanazava tamin’ny fomba hentitra ny fahefan’ny maha apostoly azy.Ny mampiavaka ity epistily ity dia ny dinidinika maro momba an’i Paoly manokana izay tsy hita na any amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly na any amin’ny epistily hafa. Mpanompon’ny fanekena vaovao sy ny fampihavanana ny olona amin’Andriamanitra ao amin’i Jesosy Kristy izy. Marobe tokoa ny zava-tsarotra nihatra taminy noho izany. Notandindomim-pahafatesana mandrakariva izy, kanefa nohamarinin’ny Tompo hatrany fa ny fiainan’i Jesosy Kristy sy ny fahasoavany no antoky ny fahavelomany.Manaitra koa ireo fihetseham-pon’i Paoly eo amin’ny fifandraisany amin’ity Fiangonana malalany ity: Alahelo, tebiteby, fahatezerana, fireharehana, hafaliana.Ny firafitry ny EpistilyFiarahabana, filazan’i Paoly ny nanjo azy, ny zavatra nampalahelo tao amin’ny Fiangonana: 1.1–2.13Ny tombontsoa manokana ho an’izay manompo an’i Jesosy Kristy: 2.14–6.10Hafatr’i Paoly manokana ho an’ny Korintiana: 6.11–7.16Fanomezana ho an’ny Kristiana any Jodia: 8.1–9.15Ny fiarovan’i Paoly ny fanompoan’ny Apostoly: 10.1–13.10Hafatra sy fanaovam-beloma: 13.11-14