Nahoma INDRAY MIJERY - Malagasy Protestant Bible 2011
INDRAY MIJERYMpampahery na Mpampionona no dikan’ny anaran’ity mpaminany ity. Elkosita izy, avy any Elkosy, tanàna akaikin’i Lakisy.Ny fotoana niasany dia teo anelanelan’ny taona 663 tal JK, izay nanafihan’ny Asiriana an’i Teba na No-Amona any Ejipta, sy ny taona 612 izay nandravan’ny Babiloniana an’i Ninive, renivohitr’i Asiria.Ny votoatin’ny BokyNy Mpaminany dia manambara mialoha ny haharava an’i Ninive, renivohitr’i Asiria izay firenen-dehibe namoritra ny Israely. Tsy filazana ny zavatra ho avy fotsiny anefa izany fa fanambaràna ny fitsaran’Andriamanitra izay Tompon’ny firenena sady mitondra ny tantaran’izao tontolo izao.I Ninive dia tanàna feno fireharehana, famonoana olona, fanaranam-po amin’ny filalaovan-dratsy sy fanompoan-tsampy. Izany toetran’ity tanàna ity izany dia toetra asehon’ny fitondrana izay tsy miorina amin’izay fototra eken’Andriamanitra ka tsy maintsy ho rava.Ny firafitry ny BokyFitarihanteny izay manambara ny herin’Andriamanitra manapaka amin’ny voahary rehetra ary mitsara an’izao tontolo izao: 1.2-8Fanambaràna mialoha ny hisehoan’izany herin’Andriamanitra izany, amin’ny handravana an’i Ninive sy ny hanafahany ny mponina any Joda: 1.9–2.3Filazana amin’ny antsipirihany ny fandravana an’i Ninive: 2.4–3.19