Amosa 2 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ny Moabita

1Izao no lazain’NY TOMPO:

Noho ny fahotana telon’i Moaba,

eny, efatra aza, dia tsy hotsoahako ny fitsarana

satria nodorany ho sokay ny taolan’ny mpanjakan’i Edoma;

2handefasako afo ao Moaba

ka handevona ireo lapan’i Kiriota izany;

ho faty ao anatin’ny tabataba i Moaba,

amin’ny horakoraka sy ny fanenon’ny anjomara;

3hofoanako tsy hisy mpitsara ao aminy

ary hataoko indray mamono izy sy ireo mpanapaka rehetra ao,

hoy NY TOMPO.

Joda

4Izao no lazain’NY TOMPO:

Noho ny fahotana telon’i Joda,

eny, efatra aza, dia tsy hotsoahako ny fitsarana

satria nataony tsinontsinona ny lalànan’NY TOMPO,

ary tsy notandremany ny didiny

ka nampivily lalana azy ny laingany izay fanaon’ny razany;

5handefasako afo ao Joda

ka handevona ireo lapan’i Jerosalema izany.

Israely

6Izao no lazain’NY TOMPO:

Noho ny fahotana telon’ny Israely,

eny, efatra aza, dia tsy hotsoahako ny fitsarana,

satria namidiny volafotsy ny olona marina,

ary namidiny kapan’olona iray ny sahirana;

7mahafaly azy ny mahita ny vovo-tany

eo an-dohan’ny mahantra

sady mamily ny lalan’ny madinika izy.

Olona mianaka no samy mandry amin’ny tovovavy iray ihany

ka manamavo ny anarako masina.

8Amin’ny lamba azony tamin’ny antoka izy no mitsilailay

eny anilan’ny alitara rehetra,

sady misotro ny divay azony tamin’ny sazy

ao amin’ny tranon’ny andriamaniny.

9Nefa Izaho no nandringana ny Amorita teo anoloany,

dia olona izay lava tsanganana toy ny hazo sedera

sy natanjaka toy ny hazo oaka;

eny, nosimbako ny voany teny amboniny

sy ny fotony tao ambaniny.

10Nefa Izaho no nitondra anareo niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta

sady nitari-dalana anareo efapolo taona tany an-tany efitra

mba handovanareo ny tanin’ny Amorita.

11Nanangana mpaminany tamin’ny zanakalahinareo Aho,

ary Nazirita tamin’ny zatovonareo.

Tsy izany va no izy, ry Zanak’Israely?

hoy NY TOMPO.

12Kanjo nampisotroinareo divay ny Nazirita

ary ny mpaminany noraranareo hoe: Aza maminany!

13Indro, Izaho no hitambesatra aminareo

toy ny fitambesatry ny sarety feno amboara.

14Koa tsy ho afa-mandositra ny haingam-pandeha

ary tsy ho afaka hampiseho ny heriny ny mahery;

tsy hahavonjy ny ainy ny mpiady mahery;

15tsy hahajoro izay mitana tsipìka

ary tsy hahavonjy tena ny haingam-pandeha;

tsy hahavonjy ny ainy izay mitaingin-tsoavaly

16ary na dia izay mahery fo indrindra eo amin’ireo mpiady mahery aza

dia handositra tsy mitam-piadiana intsony amin’izany andro izany,

hoy NY TOMPO.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help