Zefania 3 - Malagasy Protestant Bible 2011

Tsy nihaino ny antson’Andriamanitra i Jerosalema

1Lozan’ny tanàna mikomy sady voaloto,

dia ilay mampahory!

2Tsy nihaino ny feo izy

na nino anatra;

tsy nitokiany NY TOMPO,

tsy nanatona an’Andriamaniny izy.

3Ireo lehibe ao aminy

dia liona mierona.

Ny mpitsarany dia ny amboadia hariva

izay tsy mamela ho tra-maraina.

4Ny mpaminaniny dia avo vava

sady mpamitaka.

Ny mpisorony dia mandoto izay masina;

eny, manitsakitsaka ny lalàna izy.

5NY TOMPO no marina ao afovoany,

tsy manao izay tsy marina Izy.

Isa-maraina isa-maraina no amoahany ny fitsarany ho amin’ny mazava

ka tsy mba diso izany;

nefa tsy mba mahalala henatra ny olona tsy marina.

6Efa nahafongana firenena Aho,

rava ny tilikambon’ny mpiambina eny amin’ny zoron’ny manda;

nosimbako ny lalany

ka tsy hisy mpandeha!

Rava ny tanànany

ka tsy misy olona; eny, tsy misy mponina.

7Hoy Aho: Raha mba natahotra Ahy tokoa mantsy ianao

ka nino anatra

dia tsy ho rava ny fonenanao

araka izay rehetra namelezana anao.

Kanefa nifoha vao maraina izy

ka nanao izay ratsy rehetra.

8Koa miandrasa Ahy ianareo,

hoy NY TOMPO,

ambara-piavin’ny andro hitsanganako haka babo;

fa izao no kasaiko hatao: Hamory firenena

sy hanangona fanjakana Aho

mba hanamparako ny fahatezerako amin’ireo,

dia ny firehetan’ny fahatezerako rehetra;

koa ny afon’ny fahasaro-piaroko

no handevona ny tany rehetra.

Hanova ny vahoakany Andriamanitra

9Fa amin’izany dia hovako ho madio ny molotry ny firenena

mba hiantsoan’izy rehetra ny anaran’NY TOMPO

sy hanompoany Azy amin’ny firaisan-kina.

10Avy any andafin’ny onin’i Etiopia

no hitondran’ny mpivavaka Amiko,

dia ny zanakavavin’ireo izay naeliko,

ny fanatitra ho Ahy.

Ny sisa amin’ny Israely

11Amin’izany andro izany

dia tsy hitsanga-menatra ianao ny amin’izay nataonao rehetra,

izay nanotanao Tamiko;

fa hesoriko aminao

ireo mibitaka amim-pireharehana

ary tsy hiavonavona ao amin’ny tendrombohitro masina intsony ianao.

12Nefa hamelako olona mahantra sy madinika ihany ao aminao

ary ny anaran’NY TOMPO no hialofany.

13Tsy hanao heloka na handainga intsony

ny sisa amin’ny Israely.

Tsy hisy lela mamitaka eo am-bavany

fa ho afaka mihinana sy mandry izy

ka tsy hisy hanaitaitra azy.

Ny fanarenana indray an’i Jerosalema

14Mihobia, ry Ziona zanakavavy!

Manaova feo fifaliana, ry Israely!

Mifalia sy miravoravoa amin’ny fonao manontolo, ry Jerosalema zanakavavy!

15NY TOMPO efa nampitsahatra ny fitsarana anao

ka nandroaka ny fahavalonao.

NY TOMPO, Mpanjakan’ny Israely, no ao aminao;

tsy hahita loza intsony ianao.

16Amin’izany andro izany dia holazaina amin’i Jerosalema hoe:

Aza matahotra ry Ziona;

eny, aza miraviravy tanana!

17NY TOMPO Andriamanitrao no ao aminao, mpiady mahery Izy sady mpamonjy;

hifaly sy hiravoravo noho ny aminao Izy;

hangina amin’ny fitiavany Izy;

hifaly amin’ny fihobiana noho ny aminao Izy.

18Hangoniko izay manina ny andro firavoravoana,

dia ireo izay lavitra anao

ka itambesaran’ny latsa.

19Amin’izany andro izany

dia hasiako izay rehetra nampahory anao;

hovonjeko ny mandringa

ary hovoriko ny noroahina.

Hataoko ho fiderana sy ho voninahitra ireny,

any amin’ny tany rehetra izay efa nitondrany henatra.

20Amin’izany andro izany no hitondrako anareo miverina;

eny, amin’izany andro izany no hanangonako anareo.

Fa hataoko ho voninahitra sy ho laza

any amin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany ianareo,

rehefa hampodiko avy amin’ny fahababoana ianareo ka ho hitan’ny masonareo izany,

hoy NY TOMPO.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help