Nehemia INDRAY MIJERY - Malagasy Protestant Bible 2011

INDRAY MIJERYNy votoatin’ny BokyNy Boky dia tohin’ny Ezra ihany. I Nehemia dia tsy mpisorona toa an’i Ezra fa governora ambany fahefan’ny mpanjakan’i Persia. Nahazo lalana ho any Jerosalema izy hanangana indray ny manda sy ny fiainan’ny olona any. Rehefa tonga tany izy dia nisy mpiray tanindrazana maro nomba azy nanangana ny mandan’i Jerosalema na dia tao koa aza ny olona sasany izay niezaka hisakana ny asa, koa sady nitana fiasana no nitam-piadiana ny mpiasa.Niara-niasa tamin’i Ezra mpisorona koa i Nehemia, niaraka tamin’ny levita maromaro, namaky ny Bokin’ny Lalàna tamin’ny vahoaka manontolo. Niainga avy tamin’izany famakiana ny Bokin’ny Lalàna izany dia nanavao ny fanekeny tamin’NY TOMPO ny olona. Notokanana ny manda rehefa vita, ary nisy fanavaozana tamin’ny fiainam-pivavahana.Ny firafitry ny BokyNy dian’i Nehemia avy any Sosana: 1.1–2.10Ny fananganana indray ny mandan’i Jerosalema: 2.11–7.72Ny namakiana ny Bokin’ny Lalàna sy ny nanavaozan’ny olona ny fanekena: 8.1–10.40Fandaminana ny fonenana sy fiarahamonina tao Jerosalema: 11.1–12.26Ny nitokanana ny manda: 12.27-43Fanavaozana samihafa: 12.44–13.31
Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help