Nehemia 1 - Malagasy Protestant Bible 2011

Mandre ny vaovao avy any Jerosalema i Nehemia

1Ny tantaran’i Nehemia, zanak’i Hakalia.

Tamin’ny volana Kisleo tamin’ny taona faharoapolo, raha tany an-dapa any Sosana aho,

2dia tonga i Hanany, iray amin’ny rahalahiko, mbamin’ny lehilahy sasany avy tany Joda. Nanontaniako azy ny amin’ny Jiosy izay sisa afaka tamin’ny fahababoana sy ny amin’i Jerosalema,

3koa hoy ny navaliny ahy: Ny sisa tamin’ny fahababoana izay any amin’ny fari-piadidiana any dia mitondra fahoriana be sy latsa; ary voarodana ny mandan’i Jerosalema sady main’ny afo ny vavahadiny.

Ny vavaka nataon’i Nehemia ho an’ny Jiosy

4Rehefa nandre izany teny izany aho dia nipetraka nitomany sady niferinaina andro maro ary nifady hanina sy nivavaka teo anatrehan’Andriamanitry ny lanitra

5ka hoy aho hoe:

Indrisy! RY TOMPO, Andriamanitry ny lanitra, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, izay mitandrina ny fanekena sy famindrampo amin’izay tia Azy sy mitandrina ny didiny,

6aoka hihaino ny sofinao ary hihiratra ny masonao, mba hohenoinao ny vavaky ny mpanomponao, izay ataoko eto anatrehanao ankehitriny andro aman’alina ho an’ny Zanak’Israely mpanomponao sy izay anekeko ny fahotan’ny Zanak’Israely, izay efa nanotanay taminao; fa izaho sy ny ankohonan-draiko dia samy efa nanota avokoa.

7Efa nanao izay ratsy indrindra taminao izahay ka tsy nitandrina ny didy, na ny lalàna, na ny fitsipika, izay nandidianao an’i Mosesy mpanomponao.

8Hotsarovanao anie ilay teny nandidianao an’i Mosesy mpanomponao hoe: Raha manao izay mahadiso ianareo dia hampiely anareo any amin’ny firenena maro Aho;

9nefa raha miverina amiko kosa ianareo ka mitandrina ny didiko sy mankatò azy, na dia hisy voaroaka hatrany am-paravodilanitra aza ianareo, dia avy any no hanangonako anareo ka hoentiko ho eo amin’ny toerana izay nofidiko hampitoerako ny anarako ianareo.

10Ary ireo dia mpanomponao sy olonao izay navotanao tamin’ny herinao lehibe sy ny tananao mahery.

11Koa mitaraina Aminao aho, Tompo ô, mihainoa ny vavaka ataon’ity mpanomponao ity sy ny vavaka ataon’ny mpanomponao rehetra izay faly amin’ny fahatahorana ny anaranao; hambinina anie ny mpanomponao anio ary aoka hahazo famindrampo eo imason’io lehilahy io aho.

Mpitondra kapoaky ny mpanjaka anefa aho tamin’izany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help