Salamo 44 - Malagasy Protestant Bible 2011

Nanary anay IanaoHo an’ny mpiventy hira. Nataon’ny Koraìta. Maskila.

1Ny sofinay no nandrenesanay, Andriamanitra ô,

ny razanay no nitantara taminay

ny asa nataonao tamin’ny androny,

tamin’ny andro fahiny.

2Ny tananao no nandroahanao ny firenen-tsamihafa fa ny razanay kosa dia nampitoerinao;

efa nampahorinao ny firenena maro fa izy kosa dia nataonao mahafeno ny tany.

3Fa tsy ny sabany no nahazoany ny tany

ary tsy ny sandriny no namonjy azy

fa ny tananao ankavanana sy ny sandrinao ary ny fahazavan’ny tavanao

satria sitrakao izy.

4Ianao dia Ianao no Mpanjakako, Andriamanitra ô;

Didio ny famonjena ho an’i Jakoba!

5Ianao no anosehanay ny fahavalonay;

ny anaranao no anitsakitsahanay izay mitsangana hamely anay.

6Fa tsy ny tsipìkako no itokiako

ary ny sabatro dia tsy hahavonjy ahy;

7fa Ianao no namonjy anay tamin’ny fahavalonay

ary izay nankahala anay dia nataonao menatra.

8Andriamanitra no ankalazainay mandrakariva

ary ny anaranao no hoderainay mandrakizay. Fiatoana

9Kanefa nanary anay Ianao

ka nampitondra henatra anay,

ary tsy mivoaka miaraka amin’ny antokon’ny miaramilanay intsony Ianao.

10Ataonao mihemotra manoloana ny fahavalonay izahay,

koa ny mankahala anay dia manaram-po mamabo.

11Atolotrao tahaka ny ondry hohanina izahay

ary aelinao any amin’ny firenen-tsamihafa.

12Mivarotra ny vahoakanao tsy amim-bola tsy amin-karena Ianao

ka tsy mahazo tombony amin’ny vidiny akory.

13Ataonao fandatsan’ny mpiaramonina aminay izahay,

dia fanakora sy faneson’izay manodidina anay.

14Ataonao ho oha-pitenenan’ny firenen-tsamihafa izahay,

fihifikifihan-doha amin’ny olona maro.

15Tsaroako mandrakariva ny fahafaham-barakako

ary manafotra ahy ny henatro

16noho ny feon’ny mpanaratsy sy ny mpanamavo,

noho ny fahavalo sy ny mpamaly ratsy.

17Izany rehetra izany no manjo anay, nefa tsy manadino Anao izahay

sady tsy mivadika amin’ny fanekenao;

18tsy mihemotra ny fonay

ary tsy miala amin’ny lalanao ny dianay,

19nefa Ianao dia nanorotoro anay teo amin’ny fitoeran’ny amboadia,

sady nanarona anay tamin’ny aloky ny fahafatesana.

20Raha toa ka nanadino ny anaran’Andriamanitray izahay,

na nanandra-tanana tamin’ny andriamanitra hafa,

21moa tsy ho nahita izany va Andriamanitra

satria Izy mahalala ny miafina ao am-po?

22Fa noho ny Aminao no amonoana anay isanandro,

toy ny ondry hovonoina no fijery anay.

23Mifohaza Tompo ô! Nahoana Ianao no matory?

Miarena! Aza manary anay mandrakizay!

24Nahoana no manafina ny tavanao Ianao

ka manadino ny fahantranay sy ny fahorianay?

25Fa mihohoka amin’ny vovoka izahay,

miraikitra amin’ny tany ny kibonay.

26Mitsangàna hamonjy anay!

Avoty izahay araka ny famindramponao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help