Salamo 104 - Malagasy Protestant Bible 2011

Misaora ny Mpamorona

1Misaora NY TOMPO, ry fanahiko.

RY TOMPO Andriamanitro ô, lehibe indrindra Ianao;

famirapiratana sy voninahitra no itafianao.

2Mitafy ny mazava tahaka ny mitafy lamba Izy

ary mamelatra ny lanitra tahaka ny famelatra tranolay.

3Mametraka ny rairain-drihan’ny tranony amin’ny rano Izy

sady manao ny rahona matevina ho kalesiny

ka mandeha amin’ny elatry ny rivotra.

4Manao ny rivotra ho irany Izy

ary ny lelafo ho mpanompony.

5Nanorina ny tany teo ambonin’ny fanorenany Izy

mba tsy hihetsehany mandrakizay doria.

6Ny rano lalina no nasaronao azy tahaka ny lamba;

nandifotra ny tendrombohitra ny rano.

7Noho ny teny mafy nataonao dia nandositra ny tendrombohitra,

noho ny feon’ny kotrokoranao dia nirifatra izy.

8Nisondrotra ny tendrombohitra, nietry ny lohasaha,

ho any amin’izay namboarinao hitoerany.

9Efa nasianao fetra tsy hihoarany izy

mba tsy hiverina hanarona ny tany.

10Mampandeha loharano ho riaka eny amin’ny lohasaha Izy;

eny anelanelan’ny tendrombohitra no alehan’ireny

11ka isotroan’ny bibidia rehetra

sy analan’ny borikidia ny hetahetany.

12Eo akaikiny no itoeran’ny voromanidina

ary eo amin’ny rantsan-kazo no anenoany.

13Manondraka rano ny tendrombohitra avy any amin’ny tranony ambony Izy;

ny vokatry ny asanao no mahavoky ny tany.

14Mampaniry ahitra ho an’ny biby fiompy

sy anana ambolen’ny olona Izy

ary mamoaka hanina avy amin’ny tany.

15Ny divay dia mampifaly ny olona

ka mampamirapiratra ny tavany mihoatra noho ny diloilo

ary ny mofo dia manohana ny ain’ny olona.

16Voky ny hazon’NY TOMPO,

dia ny sederan’i Libanona izay namboleny.

17Eny no anaovan’ny voronkely ny akaniny

ary ny vano dia eny amin’ny hazo kipreso no anaovany ny tranony.

18Ny tendrombohitra avo dia ho an’ny osidia;

ny harambato dia fiarovana ho an’ny hiràka.

19Nanao ny volana ho famantarana ny fotoana Izy

ary mahalala ny filentehany ny masoandro.

20Mahatonga haizina Ianao dia tonga ny alina

ka mivezivezy ny biby rehetra any an’ala;

21mierona maniry remby ny liona tanora

ka mitady ny haniny avy amin’Andriamanitra.

22Miposaka ny masoandro dia miverina ireny

ary ao an-davany no amitsahany.

23Fa ny olona kosa dia mivoaka ho any amin’ny raharahany

sy ny asany mandra-paharivan’ny andro.

24Endre ny hamaroan’ny asanao, TOMPO ô!

Fahendrena no nanaovanao azy rehetra;

henika ny zavatra nataonao ny tany.

25Indro ny ranomasina, sady lehibe no malalaka,

any no misy zava-mihetsiketsika tsy tambo isaina,

dia zavamiaina, na ny kely na ny lehibe.

26Any no alehan’ny sambo

sy ny leviatana izay noforoninao mba hilalao any.

27Ireo rehetra ireo dia miandry Anao

mba homenao ny haniny amin’ny fotoanany.

28Manome Ianao dia manangona izy;

manokatra ny tananao Ianao dia voky ny soa izy.

29Manafina ny tavanao Ianao dia raiki-tahotra izy;

alainao indray ny ainy dia maty izy

ka mody any amin’ny vovoka nanalana azy.

30Maniraka ny Fanahinao Ianao dia ary izy

ary manavao ny velaran’ny tany Ianao.

31Ho mandrakizay anie ny voninahitry NY TOMPO;

aoka hifaly amin’ny asany NY TOMPO.

32Jereny ny tany dia mihorohoro;

tendren’ny tanany ny tendrombohitra dia midona-tsetroka.

33Hihira ho an’NY TOMPO aho raha mbola velona koa;

hankalaza an’Andriamanitro aho raha mbola miaina.

34Ho maminy anie ny fisainako Azy;

izaho no hifaly amin’NY TOMPO.

35Ho lany ringana tsy ho etỳ amin’ny tany ny mpanota

ary tsy ho etỳ intsony ny ratsy fanahy.

Misaora NY TOMPO, ry fanahiko.

Haleloia.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help