1Samoela INDRAY MIJERY - Malagasy Protestant Bible 2011

INDRAY MIJERYNy Boky 1, 2Samoela dia iray ihany tany am-piandohana fa tatỳ aoriana vao nozaraina ho roa noho ny halavany, ary ao amin’ny ilay Baiboly dikanteny grika Septanta, ny Boky Samoela sy Mpanjaka dia mitondra ny anarana hoe Mpanjaka 1, 2, 3 sy 4.Ny votoatin’ny BokyAnkoatra izay voalaza momba ireo Mpaminany voalohany, ny Boky dia mitantara ny fiandohan’ny fanjakana tao Israely. Nangataka mba hanana mpanjaka sahala amin’ny firenena hafa rehetra ny Israely. Saiky tsy nanaiky izany i Samoela kanefa nasain’NY TOMPO nanaiky ihany izy ka i Saoly no voatendry ho mpanjaka voalohany teo amin’ny Israely. Vetivety anefa i Saoly dia nampiseho tsy fankatoavana tamin’NY TOMPO ka nesorina taminy ny fanjakana ary nafindran’NY TOMPO tamin’i Davida.Ny Boky dia mampiseho fa na dia neken’NY TOMPO ihany aza ny fisian’ny mpanjaka teo amin’ny Israely dia Izy ihany no tena Mpanjaka, koa izay mpitondra ny olony dia tsy maintsy manaiky tanteraka ny fahefany.Ny firafitry ny BokyNy tantaran’i Samoela: Ny fahazazany sy ny fotoana naha Mpitsara azy: 1–7Ny fahanteran’i Samoela sy ny nandraisan’i Saoly ny fanjakana: 8–12Ny adin’i Saoly tamin’ny Filistina ary ny Amalekita: 13–15Ny nisandratan’i Davida, ny nietren’i Saoly sy ny nahafatesany: 16–31
Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help