1Ny zanakalahin’i Robena, lahimatoan’Israely; izy no lahimatoa; saingy tamin’ny nandotoany ny farafaran’ny rainy no nanomezana ny fizokiany ho an’ny zanak’i Josefa, zanak’Israely; nefa tsy voasoratra ho zokiny amin’ny tetiarana ireo;
2fa i Joda dia nisandratra ho ambony noho ny rahalahiny ary izy no niavian’ny mpitondra; fa ny fizokiana dia an’i Josefa ihany.
Gen 46.9; Nom 26.5-63Ny zanakalahin’i Robena, lahimatoan’Israely, dia i Hanoka, i Palo, i Hezrona ary i Karmy.
4Ny zanakalahin’i Joela dia i Semaia; i Goga no zanakalahin’i Semaia; i Simey no zanakalahin’i Goga;
5i Mika no zanakalahin’i Simey; i Reaia no zanakalahin’i Mika; i Baala no zanakalahin’i Reaia;
6i Bera no zanakalahin’i Baala, izay nobaboin’i Tiglato-Pilesera, mpanjakan’i Asiria; izy no loham-pirenen’ny Robenita.
7Ary ny rahalahiny araka ny fianakaviany avy, raha araka ny tetiarana, dia i Jeiela no lohany, ny manarakaraka azy dia i Zakaria
8ary i Bela, zanak’i Azaza, zanak’i Sema, zanak’i Joela, izay nonina tao Aroera hatrany Nebo sy Baala-Meona.
9Nonina tany atsinanana hatrany akaikin’ny tany efitra ka hatrany amin’ny ony Eofrata izy; fa nihamaro teny amin’ny tany Gileada ny omby aman’ondriny.
10Tamin’ny andron’i Saoly dia niady tamin’ny Hagarita izy ka naharesy azy; ary nonina an-day nanerana ny ilany atsinanana rehetra amin’i Gileada izy.
Ny taranak’i Gada11Nonina tandrifiny, teny amin’ny tany Basana hatrany Saleka ny taranak’i Gada.
12I Joela no lohany, i Safama no manarakaraka, ary i Janay sy i Safata no tany Basana.
13Ny rahalahiny araka ny fianakaviany avy dia i Mikaela, i Mesolama, i Seba, i Joray, i Jakana, i Zia ary i Ebera; fito izy ireo.
14Ireo no zanakalahin’i Abihaila, zanak’i Hory, zanak’i Jaroa, zanak’i Gileada, zanak’i Mikaela, zanak’i Jesisay, zanak’i Jado, zanak’i Boza;
15i Ahia, zanak’i Abdiela, zanak’i Gonỳ, no lohan’ny fianakaviany.
16Nonina tany Gileada sy tany Basana ary tany amin’ny vohitra miankina aminy sy tany amin’ny tany rehetra manodidina an’i Saròna ka hatrany an-tsisiny izy ireo.
17Ireo rehetra ireo dia nisaina araka ny firazanany tamin’ny andron’i Jotama, mpanjakan’ny Joda, sy tamin’ny andron’i Jeroboama, mpanjakan’ny Israely.
18Ny taranak’i Robena sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, izay isan’ny lehilahy mahery, mahatana ampinga sy sabatra ary mahahenjana tsipìka sady zatra ny miady, miisa enimpolo sy fitonjato sy efatra arivo sy efatra alina, no azo nalefa hanafika.
19Niady tamin’ny Hagarita, tamin’i Jetora, tamin’i Nafisy ary tamin’i Nodaba izy ireo.
20Nomban’Andriamanitra izy ireo teo amin’ny ady ka voatolotra teo an-tanany ny Hagarita mbamin’izay rehetra nomba azy, satria nitaraina tamin’Andriamanitra izy ireo nandritra ny ady, koa nekeny ny fangatahany noho ny fahatokiany Azy.
21Ary nobaboiny ny biby fiompiny, dia rameva dimy alina, ondry aman’osy dimy alina sy roa hetsy, boriky roa arivo ary olona iray hetsy;
22maro ny faty niampatrampatra, satria avy tamin’Andriamanitra ny ady. Ary nonina nandimby ireo izy mandra-pahatongan’ny fahababoana.
Ny taranak’i Manase tany atsinanan’ny Jordana23Ny taranaky ny antsasaky ny fokon’i Manase dia nonina teo amin’ny tany; ary nihamaro izy ireo ka tonga hatrany Basana ka hatrany Baala-Hermona sy Senira ary hatrany amin’ny tendrombohitra Hermona.
24Izao no lohan’ny fianakaviany: I Efera, i Jisy, i Eliela, i Azriela, i Jeremia, i Hodavia ary i Jadiela; lehilahy mahery ireo ary malaza sady samy loham-pianakaviany avy.
25Nivadika tamin’Andriamanitry ny razany anefa izy ireo fa nijangajanga nanaraka ny andriamanitry ny tompon-tany, izay naringan’Andriamanitra tsy ho eo anoloany.
26Ary ny Andriamanitry ny Israely nampirisika an’i Pola, mpanjakan’i Asiria, sy i Tiglato-Pilesera, mpanjakan’i Asiria, ka nobaboin’ireo ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase dia noentiny tany Hala, tany Habora, tany Hara ary tany amoron’ny ony Gozana, ambaraka androany.
Ny taranak’i Levy: Ny MpisoronabeAmpit. Gen 46.11; Nom 26.59-6027Ny zanakalahin’i Levy dia i Gersona sy i Kehata ary i Merary.
28Ny zanakalahin’i Kehata dia i Amrama, i Jizara, i Hebrona ary i Oziela.
29Ny zanak’i Amrama dia i Arona sy i Mosesy ary i Miriama. Ny zanakalahin’i Arona dia i Nadaba, i Abiho, i Eleazara ary Itamara.
30I Eleazara no niteraka an’i Finehasa; i Finehasa no niteraka an’i Abisoa;
31i Abisoa no niteraka an’i Bokỳ; i Bokỳ no niteraka an’i Ozy;
32i Ozy no niteraka an’i Zerahia; i Zerahia no niteraka an’i Meraiota;
33i Meraiota no niteraka an’i Amaria; i Amaria no niteraka an’i Ahitoba;
34i Ahitoba no niteraka an’i Zadoka; i Zadoka no niteraka an’i Ahimaza;
35i Ahimaza no niteraka an’i Azaria; i Azaria no niteraka an’i Johanana;
36i Johanana no niteraka an’i Azaria, ilay nanao fisoronana tao amin’ny trano nataon’i Solomona tany Jerosalema;
37i Azaria no niteraka an’i Amaria; i Amaria no niteraka an’i Ahitoba;
38i Ahitoba no niteraka an’i Zadoka; i Zadoka no niteraka an’i Saloma;
39i Saloma no niteraka an’i Hilkia; i Hilkia no niteraka an’i Azaria;
40i Azaria no niteraka an’i Seraia; i Seraia no niteraka an’i Jozadaka.
41Lasa nandeha koa i Jozadaka nony voatolotry NY TOMPO ho babon’i Nebokadnezara ny Joda sy Jerosalema.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.