Salamo 47 - Malagasy Protestant Bible 2011

Hobio ny Mpanjaka lehibeHo an’ny mpiventy hira. Salamo nataon’ny Koraìta.

1Mitehafa tanana, ry firenena rehetra!

Mihobia ho an’Andriamanitra amin’ny feo miravoravo!

2Fa NY TOMPO, ny Avo Indrindra, dia tokony hatahorana;

Mpanjaka lehibe ambonin’ny tany rehetra Izy.

3Mampanaiky firenena maro eo anoloantsika Izy

ary firenen-tsamihafa ho ambanin’ny tongotsika;

4mifidy ny lovantsika ho antsika Izy,

dia ny voninahitr’i Jakoba izay tiany. Fiatoana

5Niakatra tao anatin’ny fihobiana Andriamanitra,

NY TOMPO niakatra tamin’ny fitsofana ny anjomara.

6Mihirà ho an’Andriamanitra; eny, mihirà.

Mihirà ho an’ny Mpanjakantsika; eny, mihirà.

7Fa Mpanjaka amin’ny tany rehetra Andriamanitra;

manaova hira fankalazana Azy ianareo.

8Andriamanitra manjaka amin’ny firenen-tsamihafa;

Andriamanitra mipetraka eo ambonin’ny sezafiandrianany masina.

9Mivory ny mpitondra ny firenen-tsamihafa

miaraka amin’ny olon’Andriamanitr’i Abrahama;

fa an’Andriamanitra ny ampingan’ny tany.

Avo indrindra Izy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help