Levitikosy INDRAY MIJERY - Malagasy Protestant Bible 2011

INDRAY MIJERYNy votoatin’ny BokyNy Boky Levitikosy dia mirakitra ireo fisoronana sy fanaovana fanatitra araka ny lalàna momba ny fanatitra, ny fahamasinana ary ny fahadiovana, araka ny nandidian’ny lalàna nomena tao Sinay: Ireo no hevi-baventy ao amin’ny Levitikosy. Koa na ny mpanao raharaham-pisoronana, na ny vahoaka, dia samy iantefan’ny hafatra fonosin’ireo hevitra ireo: «Tandremo ny didiko sy ny fitsipiko; fa raha mahatandrina izany ny olona dia ho velona amin’izany izy. Izaho no TOMPO.»Tsy ny fombam-pivavahana rehetra anefa no hita ao amin’ny Levitikosy; ny hira sy ny tonom-bavaka ohatra dia ao amin’ny Bokin’ny Salamo no tena ahitana azy, fa ny Levitikosy dia manamafy ny fahamasinana izay tokony ho hita eo amin’ny vahoakan’Andriamanitra.Ny firafitry ny BokyNy fanatitra: 1–7Ny nanorenana ny asam-pisoronana: 8–10Ny lalàna momba ny fahadiovana levitika: 11–18Ny lalàna momba ny fahamasinana: 18–25Fampahatsiahivana ny Fanekena: 26Fanampiny: Lalàna momba ny voady: 27
Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help