Jeremia 15 - Malagasy Protestant Bible 2011

Fanamelohana ny vahoakan’Andriamanitra

1Hoy NY TOMPO tamiko: Na dia i Mosesy sy i Samoela aza no mijoro eto anatrehako dia tsy hankasitraka ity firenena ity Aho; roahy tsy ho eo anatrehako izy, eny, aoka hiala izy.

2Ary raha toa izy ka miteny aminao hoe: Hiala hankaiza ary izahay? Dia lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO:

Izay ho amin’ny fahafatesana dia ho amin’ny fahafatesana,

izay ho amin’ny sabatra dia ho amin’ny sabatra,

izay ho amin’ny mosary dia ho amin’ny mosary,

ary izay ho amin’ny fahababoana dia ho amin’ny fahababoana.

3Ary manendry zavatra efatra karazana Aho hamelezana azy, hoy NY TOMPO: Dia ny sabatra hamono, ny amboa hamiravira, ny voromanidina ary ny bibidia hihinana sy handany;

4Ary ataoko ho fampangovitana ny fanjakana rehetra amin’ny tany izy noho ny amin’i Manase, zanak’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda, dia noho izay nataony tany Jerosalema.

Sasatra ny manenina Aho

5Iza no hangoraka anao, ry Jerosalema?

Iza no hitsapa alahelo anao?

Iza no hivily hanantsafa anao?

6Ianao efa nahafoy Ahy

sady efa nihemotra,

hoy NY TOMPO;

koa atsotrako kosa ny tanako hamely anao,

ary efa mandringana anao Aho

satria efa sasatra ny manenina.

7Ary kororohiko amin’ny fikororohana any amin’ny vavahadin’ny tany izy;

ary vonoiko ny zanany,

eny, aringako ny oloko,

nefa tsy mety miala amin’ny fanaony ihany izy mba hiverenany.

8Ny mpitondratenany dia mihamaro eo imasoko

mihoatra noho ny fasika any an-dranomasina;

mitondra mpandringana ho ao aminy Aho

handripaka ny renin’ny zatovo, na dia mitataovovonana aza ny andro;

ataoko tonga tampoka aminy

ny fanaintainana sy ny tahotra.

9Izay niteraka fito dia mihaosa,

miala aina izy,

milentika mbola antoandro ny masoandrony,

menatra sy mangaihay izy;

ary izay sisa eo aminy dia hatolotro ho voan’ny sabatra

eo anoloan’ny fahavalony,

hoy NY TOMPO.

Fitarainan’i Jeremia sy fampiononan’Andriamanitra

10Lozako, ry neny, ny niterahanao ahy

izay lehilahy ilàna ady sy fifandirana eny amin’ny tany rehetra!

Tsy nisambo-bola aho, ary tsy nisy nisambo-bola tamiko,

nefa dia ozonin’ny olona rehetra ihany aho.

11Dia hoy NY TOMPO:

Ny hahasoa anao ihany no nanafahako anao;

hataoko tonga mifona aminao tokoa ny fahavalo

amin’ny andro hahitan-doza sy amin’izay andro mahory.

12Mety tapaka va ny vy,

dia ny vy avy any avaratra, na ny varahina?

13Ny fanananao sy ny harenanao

ao anatin’ny faritaninao rehetra

dia hatolotro ho babo maimaimpoana

noho ny fahotana rehetra izay nataonao;

14ary hampitondraiko ny fahavalonao

ho any amin’ny tany tsy fantatrao izany;

fa mirehitra ny afon’ny fahatezerako

ka handoro anareo no irehetany.

15Ianao no mahalala,

TOMPO ô, tsarovy aho

ka vangio,

ary valio izay manenjika ahy;

aza dia mandefitra aminy Ianao,

fandrao ho afaka ny aiko;

aoka ho fantatrao fa noho ny Aminao no nitondrako latsa.

16Hitako ireo teninao

ka nohaniko,

ary ny teninao no fifaliako sy firavoravoan’ny foko;

fa nantsoina tamin’ny anaranao aho,

RY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao ô.

17Izaho dia tsy nipetraka na nifaly teo amin’ny fivorian’ny mpikorana,

nitoetra irery aho noho ny fihazonan’ny tananao ahy

satria nofenoinao fahatezerana aho.

18Nahoana re no dia tsy mety mitsahatra ny faharariako?

Nahoana no marary ny feriko

ka tsy mety sitrana?

Ho tonga amiko tahaka ny ranotrambo va Ianao,

dia rano tsy azo itokiana?

19Koa izao no lazain’NY TOMPO:

Raha miverina ianao dia horaisiko indray

ka hitsangana eo anatrehako;

ary raha manavaka ny zava-tsoa amin’ny zava-poana ianao

dia ho solom-bavako;

hanatona anao indray ireny;

fa tsy ianao no hanatona azy.

20Ary hataoko fefy varahina matevina

ho fiarovana ity firenena ity ianao:

Hiady aminao izy

nefa tsy hahaleo anao;

fa momba anao Aho mba hamonjy sy hanafaka anao,

hoy NY TOMPO.

21Hanafaka anao amin’ny tanan’ny ratsy fanahy Aho

ary hanavotra anao amin’ny tanan’ny mpampahory.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help