Isaia 32 - Malagasy Protestant Bible 2011

Hanjaka ihany ny fahamarinana amin’ny farany

1Indro, araka ny fahamarinana no hanjakan’ny mpanjaka,

ary araka ny rariny no hitondran’ny manampahefana.

2Samy ho fierena amin’ny rivotra,

ary ho fialofana amin’ny oram-baratra izy,

ho lakandrano manondraka ny tany maina izy,

ho alokalo-batolampy mandondona amin’ny tany karankaina.

3Tsy hikimpy ny mason’izay mahita

ary hihaino ny sofin’izay mandre.

4Hahazo fahalalana ny fon’izay maimaika

ary ny lelan’izay mikodedidedy dia hahay miteny haingana sy mazava.

5Ny adala dia tsy hantsoina intsony hoe andriana

ary ny mpanambaka dia tsy holazaina hoe mahafoy be.

6Ny adala mantsy dia mbola miteny hadalana ihany

ary mamoron-keloka ny fony

mba hanaovany izay ratsy

sy hitenenany ratsy NY TOMPO,

ary hiraharahany ny kibon’ny noana

sy hanakanany ny mangetaheta tsy hisotro rano.

7Ratsy ny hafetsen’ny mpanambaka;

manao teti-dratsy izy hanimbany ny ory amin’ny teny lainga

na dia manana ny rariny aza ny mahantra;

8Fa ny olo-mihaja kosa dia manana fikasana araka izay mahamendrika olo-mihaja

ary izay mahamendrika olo-mihaja no ifikirany.

Fampitandremana ny vehivavy ao Jerosalema

9Mitsangàna, ry vehivavy tsy manana ahiahy,

ka henoy ny feoko!

Ry zazavavy matokitoky foana,

mihainoa ny teniko!

10Raha afaka herintaona mahery kely

dia ho raiki-tahotra ianareo, ry vehivavy matokitoky foana;

hifarana mantsy ny taom-piotazam-boaloboka

ary tsy hisy akory ny fanangonam-boankazo.

11Mangovita, ianareo vehivavy tsy manana ahiahy!

Mangorohoroa, ianareo matokitoky foana!

Endaho ny akanjonareo ka mitanjaha

ary misikìna lamba fisaonana.

12Miteha-tratra izy fa malahelo

ny saha mahafinaritra

sy ny voaloboka vokatra.

13Ho rakotry ny tsilo sy ny anjavidy

ny tanin’ny oloko;

eny, hatrany amin’ny trano filalaovana rehetra

any amin’ny tanàna miravoravo.

14Fa ho foana ny lapan’ny mpanjaka,

hilaozana ny tanàna mitabataba;

ho tonga zohy mandrakizay

i Ofela sy ny tilikambo fiambenana;

ho zary fikarenjen’ny borikidia

sy firaofan’ny andian’ny ondry aman’osy.

Fiadanana no ho vokatry ny fahamarinana

15Mandra-pandrotsaka ny Fanahy ho amintsika avy amin’ny avo

ka ny tany efitra dia ho tonga saha mahavokatra,

ary ny saha mahavokatra dia hoheverina ho ala.

16Hitoetra any an-tany efitra ny rariny

ary honina ao amin’ny saha mahavokatra ny fahamarinana.

17Fiadanana no ho vokatry ny fahamarinana,

filaminana sy fandriampahalemana mandrakizay

no asan’ny fahamarinana.

18Hitoetra ao amin’ny fonenana mandry fehizay ny oloko,

ao amin’ny toerana mahatoky

sy ao amin’ny fialan-tsasatra milamina.

19Nefa ho ripaka amin’ny filatsahan’ny havandra ny ala,

ary hadaboka ambany dia ambany ny tanàna.

20Sambatra ianareo izay mamafy eny amoron’ny rano rehetra

sady mampiriaria ny omby sy ny boriky!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help