Joela 1 - Malagasy Protestant Bible 2011

Firohotry ny andiam-bibikely sy ny fahamainan’ny tany

1Ny tenin’NY TOMPO, izay tonga tamin’i Joela, zanak’i Petoela.

2Henoy izao, ry zokiolona!

Ary atongilano ny sofinareo, ry mponina rehetra amin’ny tany!

Moa mba efa nisy tamin’ny andronareo

na tamin’ny andron’ny razanareo va izao?

3Lazao amin’ny zanakareo izao

ary aoka hilaza amin’ny zanany kosa ny zanakareo

ary ny zanak’ireo kosa indray dia hilaza amin’ny taranaka mandimby azy.

4Izay sisan’ny kijeja

dia nohanin’ny koraika;

ary izay sisan’ny koraika

dia nohanin’ny valalavao;

ary izay sisan’ny valalavao

dia nohanin’ny sompanga.

5Mifohaza, ianareo mpimamo, ka mitomania!

Eny, midradradradrà, ianareo mpisotro divay rehetra,

noho ny ranom-boaloboka

satria nesorina tsy ho ao amin’ny vavanareo izany!

6Fa misy firenena mahery sady tsy hita isa

miakatra hamely ny taniko;

ny nifiny dia nifin’ny lion-dahy,

ary ny vazany dia vazan’ny liom-bavy.

7Nataony simba tokoa ny voaloboko

ary notapatapahiny ny aviaviko;

nokikisany sy nendahany tanteraka ireny ka nariany,

eny, tonga fotsy ny rantsany.

8Midradradradrà toy ny virijiny misikina lamba fisaonana

noho ny amin’ny vadin’ny fahatanorany.

9Tsy hita ao amin’ny tranon’NY TOMPO intsony ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina;

mitomany ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ho an’NY TOMPO.

10Rava ny saha,

misaona ny tany fambolena;

fa simba ny vary,

ritra ny ranom-boaloboka,

maina ny diloilo.

11Aoka ho menatra ianareo mpiasa tany;

midradradradrà, ianareo mpikarakara ny tanim-boaloboka,

noho ireo varimbazaha isan-karazany;

fa majifa ny vokatry ny saha,

12maina ny voaloboka,

malazo ny aviavy

ary malazo koa ny ampongabendanitra sy ny palma ary ny paoma,

dia ny hazo rehetra any an-tsaha;

eny, malazo ny fifalian’ny zanak’olombelona.

Antso ho amin’ny fifadian-kanina mba ho fifonana amin’ny TOMPO

13Misikìna sy mitomania, ianareo mpisorona;

midradradradrà, ianareo mpanao fanompoam-pivavahana eo amin’ny alitara;

andeha mandry amin’ny lamba fisaonana mandritra ny alina,

ianareo mpanao fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitro,

fa tsy ho hita intsony ao amin’ny tranon’Andriamanitra

ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy ny fanatitra aidina.

14Manamasìna andro fifadian-kanina, miantsoa fivoriana masina,

angony ny zokiolona sy ny mponina rehetra amin’ny tany

ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO Andriamanitrareo,

ary aoka hitaraina amin’NY TOMPO.

Ny Andron’NY TOMPO, andro fandringanana

15Indrisy ny andro!

Fa efa antomotra ny Andron’NY TOMPO

ka tahaka ny fandringanana avy amin’ny Tsitoha no fiaviny.

16Moa tsy efa nesorina teo imasontsika va ny hanina,

eny, ny fifaliana sy ny faharavoravoana

tsy ho ao amin’ny tranon’Andriamanitsika?

17Matimaso ao ambanin’ny baingan-tany ny vary nafafy,

foana ny sompitra,

mirodana ny trano fitahirizam-bary

fa nalazo ny vary.

18Indrisy ny fitoreon’ny biby!

Very hevitra ny andian’omby

satria tsy misy ahitra ho azy;

eny, na dia ny andian’ny ondry aman’osy aza dia mijaly noho izany.

Vavaky ny mpaminany

19TOMPO ô, Ianao no itarainako!

Fa efa levon’ny afo ny kijana any an-tany efitra

ary nisy lelafo nandoro ny hazo rehetra any an-tsaha.

20Na dia ny biby any an-tsaha aza dia mihanahana miandrandra Anao

satria ritra ny lohasahan-driaka

ary efa levon’ny afo ny kijana any an-tany efitra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help