Isaia 45 - Malagasy Protestant Bible 2011

1Izao no lazain’NY TOMPO amin’ny Voahosony, dia i Kirosy

izay notantanako tamin’ny tanany havanana

mba handreseko firenena eo anoloany

sy hamahako ny fehikibon’ny mpanjaka,

mba hamohako varavarana eo anoloany

ka tsy hirindrina intsony ny vavahady:

2Handroso eo alohanao Aho

ary handravona ny mikitoantoana

sy hanorotoro ny varavarana varahina

ary hanapatapaka ny hidy vy;

3dia homeko anao ny harena ao amin’ny maizina

sy ny harena nafenina ao amin’ny mangingina,

mba hahafantaranao

fa Izaho no TOMPO izay miantso anao amin’ny anaranao,

dia Andriamanitry ny Israely.

4Noho ny amin’i Jakoba mpanompoko

sy Israely voafidiko

no niantsoako anao tamin’ny anaranao

sy nanomezako anarana malaza ho anao,

na dia tsy nahafantatra Ahy aza ianao.

5Izaho no TOMPO fa tsy misy hafa.

Tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho;

efa nampisikina anao Aho,

kanefa tsy nahafantatra Ahy ianao,

6mba hahafantarana

hatrany amin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatrany amin’ny filentehany

fa tsy misy afa-tsy Izaho:

Izaho no TOMPO

ary tsy misy hafa,

7dia Izaho izay mamorona ny mazava

sy mahary ny maizina,

manao ny fiadanana

sy mahary ny loza;

Izaho TOMPO no manao izany rehetra izany.

8Manateteva avy any ambony, ry lanitra,

ary aoka ny habakabaka hampilatsaka ny fahamarinana!

Aoka ny tany hisokatra

mba ho vokatra avy amin’ireo ny famonjena,

aoka hitsimoka miaraka amin’izay ny fahamarinana.

Izaho TOMPO no efa nahatonga izany.

9Lozan’izay miady amin’ny namorona azy,

tavim-bilany isan’ny tavim-bilany amin’ny tany ihany ireny!

Ny tanimanga va hilaza amin’ny mpanefy azy hoe:

Inona no ataonao?

Na ny asanao va hiteny hoe: Tsy manan-tanana izy!

10Lozan’izay miteny amin’ny ray hoe:

Inona no aterakao?

Na amin’ny reny hoe:

Inona no aloaky ny kibonao?

11Izao no lazain’NY TOMPO, ny Iray Masin’ny Israely,

dia ny namorona azy:

Ny zavatra ho avy va no anontaniana Amiko?

Ny zanako sy ny asan’ny tanako dia aoka ho adidiko ihany.

12Izaho no nanao ny tany

sy nahary ny olona eo amboniny;

ny tanako ihany no namelatra ny lanitra

sy nandahatra ny eny aminy rehetra.

13Izaho no nanaitra azy io tamin’ny fahamarinana

ary haravoko avokoa ny lalany rehetra;

izy no hanangana ny tanànako

ary havelany handeha ny oloko voababo,

nefa tsy amim-bola amin-karena,

hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.

14Izao no lazain’NY TOMPO:

Ny vokatry ny fisasaran’i Ejipta sy ny tombom-barotr’i Kosy

sy ny Sabeana, olona lava tsanganana,

dia hafindra ao aminao ka ho anao.

Dia hanaraka ao aoriananao ireo;

avy aman-gadra izy

ary hiankohoka eo anatrehanao

sady hifona aminao hoe:

Ato aminao tokoa Andriamanitra

ary tsy misy afa-tsy Izy,

zava-poana ireo andriamanitra tsy izy!

15Marina tokoa fa Ianao dia Andriamanitra miafina,

ry Andriamanitry ny Israely sady Mpamonjy ô!

16Hitsanga-menatra sy hangaihay izy rehetra;

eny, handeha aman-kenatra avokoa

ny mpamorona sarin-javatra hivavahana.

17Fa hahazo famonjena mandrakizay avy amin’NY TOMPO kosa ny Israely.

Tsy hitsanga-menatra na hangaihay mandrakizay mandrakizay ianareo.

18Fa izao no lazain’NY TOMPO,

izay nahary ny lanitra,

Izy no Andriamanitra izay namolavola ny tany

ka nahavita sy nampiorina azy,

tsy ho tany tsy misy endrika tsy akory no nahariany azy,

fa novolavolainy mba honenana:

Izaho no TOMPO,

ary tsy misy hafa.

19Tsy tao amin’ny mangingina no nitenenako,

na tao amin’ny toerana maizina amin’ny tany.

Tsy nilaza tamin’ny taranak’i Jakoba aho hoe:

Tadiavo any amin’izay tsy misy endrika Aho!

Izaho TOMPO no miteny ny marina

sy manambara ny mahitsy.

20Mivoria ka avia

ary miaraha manatona,

ianareo Jentilisa sisa afaka!

Tsy manam-pahalalana

ireo izay mitondra ny hazo natao sarin-javatra voasokitra

ka mivavaka amin’izay andriamanitra

tsy mahavonjy.

21Ambarao ka asehoy mazava!

Eny, aoka hiara-misaina izy ireo!

Iza moa no nanambara izany hatrizay hatrizay?

Iza no nilaza izany hatramin’ny fahiny?

Tsy Izaho TOMPO va?

Fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho,

dia Andriamanitra marina sady Mpamonjy;

eny, tsy misy afa-tsy Izaho.

22Mijere Ahy dia ho voavonjy ianareo,

ry vazan-tany rehetra!

Fa Izaho no Andriamanitra

ary tsy misy hafa.

23Ny tenako no nianianako,

ny vavako no ivoahan’ny fahamarinana,

teny tsy hiverina foana izany, dia ny hoe:

Izaho no handohalehan’ny lohalika rehetra

sy hianianan’ny lela rehetra hoe:

24Ao amin’NY TOMPO ihany no voalaza

fa misy fahamarinana sy hery;

ka Izy ihany no hohatonin’ny olona amin-kenatra,

dia ireo rehetra tezitra Aminy.

25Ao amin’NY TOMPO no hanamarinana ny taranak’Israely rehetra

sy hananany rehareha.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help