1Aoka tsy hirehitra noho ny amin’ny mpanao ratsy ny fahatezeranao
ary aza mialona ny mpanao heloka,
2fa maina vetivety tahaka ny ahitra izy
ka halazo tahaka ny ahi-maitso.
bet ב3Matokia NY TOMPO ianao ka manaova soa,
dia honina amin’ny tany ianao ka ho faly amin’ny fahamarinana.
4Aoka NY TOMPO no iravoravoanao,
dia homeny anao izay irin’ny fonao.
gimel ג5Ankino amin’NY TOMPO ny lalanao
ary matokia Azy fa Izy no hanatanteraka.
6Hampiseho ny fahamarinanao tahaka ny mazava Izy
ary ny rariny ho anao tahaka ny mitataovovonana.
dalet ד7Miandrasa NY TOMPO amim-pahanginana ianao ka manantenà Azy;
aza tezitra amin’izay ambinina amin’ny lalany,
dia amin’izay olona manao sain-dratsy.
he ה8Mitsahara amin’ny fahatezerana ary mahafoiza ny fahavinirana;
aoka tsy ho tezitra ianao fa ratsy no hiafaran’izany.
9Fa hofongorana ny mpanao ratsy
ary izay manantena NY TOMPO no handova ny tany.
vav ו10Rehefa afaka kelikely dia tsy hisy ratsy fanahy intsony!
Handinika ny fonenany ianao fa tsy ho ao intsony izy!
11Ny mpandefitra kosa no handova ny tany
ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.
zaìn12Manao hevi-dratsy hamelezany ny marina ny ratsy fanahy
ka mihidy vazana aminy.
13Mihomehy azy ny Tompo
satria hitany fa ho tonga ny androny.
het ח14Nanatsoaka ny sabany ny ratsy fanahy
ka nanenjana ny tsipìkany
mba hampikarapoka ny ory sy ny mahantra
ary hamono ny mahitsy lalana.
15Hitsatoka amin’ny fony ihany ny sabany
ary ho tapatapaka ny tsipìkany.
tet ט16Tsara lavitra ny kely ananan’ny olona marina iray
noho ny be ananan’ny ratsy fanahy maro;
17ho tapatapaka ny sandrin’ny ratsy fanahy,
fa NY TOMPO manohana ny marina.
iod י18Fantatry NY TOMPO ny andron’ny olo-mahitsy
ary ho mandrakizay ny lovany.
19Tsy mba hitsanga-menatra ireny amin’ny andro fahoriana
ary amin’ny taona misy mosary dia ho voky izy.
kaf כ20Fa ho ringana ny ratsy fanahy
ary ho tahaka ny voninahitry ny saha ny fahavalon’NY TOMPO;
ho levona izy; eny, ho levon-ko setroka izy.
lamed ל21Mitrosa ny ratsy fanahy nefa tsy manonitra,
fa mamindra fo kosa ny marina ka manome.
22Fa izay tahiny no handova ny tany
ary izay ozoniny kosa no hofongorana.
mem מ23Avy amin’NY TOMPO no mahalavorary ny dian’ny olona
ka Izy no mankasitraka ny lalany;
24na dia lavo aza izy, tsy dia mikarapoka
satria NY TOMPO no mitantana azy.
non נ25Efa mba tanora ihany aho ary efa antitra ankehitriny,
fa tsy mbola hitako izay marina nafoy,
na ny zanany mangataka hanina.
26Miantra mandrakariva ireny ka mampisambotra
ary hotahina ny taranany.
samek ס27Halaviro ny ratsy ka manaova soa,
dia honina mandrakizay ianao.
28Fa NY TOMPO tia rariny
sady tsy hahafoy ny olony masina.
aìn עHarovana mandrakizay ireo;
fa ny taranaky ny ratsy fanahy kosa dia hofongorana.
29Ny marina dia handova ny tany
ka honina eo aminy mandrakizay.
פ pe30Miresaka fahendrena ny vavan’ny marina
ary manambara ny rariny ny lelany.
31Ny lalànan’Andriamaniny no ao am-pony;
tsy mba ho solafaka ny diany.
tsade צ32Ny ratsy fanahy dia mitsikilo ny marina
ka mitady ny hahafaty azy;
33NY TOMPO anefa tsy hahafoy azy eo an-tanany
na hamela azy ho voaheloka raha tsaraina.
kof ק34Miandrasa NY TOMPO ka tandremo ny lalany
dia hanandratra anao handova ny tany Izy;
ho faly ianao hahita ny hamongorana ny ratsy fanahy.
res ר35Efa hitako ny ratsy fanahy fa loza loatra izy;
nisandrahaka tahaka ny hazo maitso naniry ho azy.
36Kanjo nandalo izy ka indro, tsy teo intsony.
Nitady azy aho nefa tsy hita izy.
sin שׁ37Diniho ny tsy misy tsiny ka jereo ny mahitsy;
manana ny ho aviny ny olona tia fihavanana.
38Fa ny mpanota kosa dia hiara-haringana;
ho fongotra ny hoavin’ny ratsy fanahy.
tao ת39Ny famonjena ny marina dia avy amin’NY TOMPO;
fiarovana mafy ho azy Izy amin’ny andro fahoriana.
40Ary NY TOMPO mamonjy azy sy manafaka azy;
eny, manafaka azy amin’ny ratsy fanahy Izy ka mamonjy azy,
satria mialoka Aminy ireo.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.