1Mpanjaka 15 - Malagasy Protestant Bible 2011

I Abia, mpanjakan’ny Joda 2Tan 13.1-3

1Tamin’ny taona fahavalo amby folo nanjakan’i Jeroboama, zanak’i Nebata, no tonga mpanjakan’i Joda i Abia.

2Telo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran’ny reniny dia Imaka, zanakavavin’i Absaloma.

3Nandeha tamin’ny fahotana rehetra nataon’ny rainy izy, dia izay nataony teo alohany; ny fony dia tsy mba nahitsy tamin’NY TOMPO Andriamaniny tahaka ny fon’i Davida rainy.

4Nefa noho ny amin’i Davida dia nomen’NY TOMPO Andriamaniny fanilo tany Jerosalema ihany izy ka natsangany handimby azy ny zanany sady nampaharitra an’i Jerosalema Izy,

5satria nanao izay mahitsy teo imason’NY TOMPO i Davida ka tsy nivily niala tamin’izay nandidiany azy tamin’ny andro rehetra niainany, afa-tsy ilay tamin’i Oria hetita ihany.

6Niady i Rehoboama sy i Jeroboama tamin’ny andro rehetra niainany.

2Tan 13.22-23

7Ny tantaran’i Abia sisa mbamin’izay rehetra nataony, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Joda va izany? Niady i Abia sy i Jeroboama.

8Nodimandry any amin’ny razany i Abia, dia nalevina tao amin’ny Tanànan’i Davida izy. I Asa zanany no nanjaka nandimby azy.

I Asa, mpanjakan’ny Joda 2Tan 14.1-2

9Tamin’ny taona faharoapolo nanjakan’i Jeroboama, mpanjakan’ny Israely, no tonga mpanjakan’ny Joda i Asa.

10Iraika amby efapolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran’ny reniny dia Imaka, zanakavavin’i Absaloma.

11Nanao izay mahitsy teo imason’NY TOMPO i Asa, toy ny nataon’i Davida rainy.

12Nesoriny tamin’ny tany ny olona izay nanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, sady nariany ny sampy rehetra izay nataon’ny rainy.

2Tan 15.16-18

13Na dia Imaka reniny aza dia naetriny tsy ho andriambavy intsony, satria nanao sampy mahatsiravina ho an’ny Aseraha; ary nikapa ny sampiny i Asa ka nandoro azy tao an-dohasahan-driaka Kidrona.

14Na izany aza, ireo toerana fanaovana sorona dia tsy mba noravana; nefa nahitsy teo imason’NY TOMPO ny fon’i Asa tamin’ny andro rehetra niainany.

15Nampidiriny ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO ny zavatra izay nohamasinin’ny rainy mbamin’izay nohamasinin’ny tenany, dia volafotsy sy volamena ary fanaka.

2Tan 16.1-6

16Niady i Asa sy i Basa, mpanjakan’ny Israely, tamin’ny andro rehetra niainany.

17Ary niakatra hamely ny Joda i Basa, mpanjakan’ny Israely ka nanamboatra an’i Rama mba tsy hisy hahazo hivoaka sy hiditra ho any amin’i Asa, mpanjakan’ny Joda.

18Ary naka ny volafotsy sy ny volamena rehetra izay sisa tao amin’ny efitrano fitahirizana tao amin’ny tranon’NY TOMPO sy tao amin’ny efitrano fitahirizana tao amin’ny tranon’ny mpanjaka i Asa ka natolony teo an-tanan’ny mpanompony. Avy eo i Asa mpanjaka dia nampanatitra azy tany amin’i Beny-Hadada, zanak’i Tabrimona, zanak’i Heziona, mpanjakan’i Arama, izay nonina tao Damaskosy, ka nampilazainy hoe:

19Misy fanekena amiko sy aminao, ary tamin’ny raiko sy ny rainao. Koa indro, mampanatitra volafotsy sy volamena ho fanomezana ho anao aho; andeha, tsoahy ny fanekenao tamin’i Basa, mpanjakan’ny Israely, mba hialany amiko.

20Ary nihaino an’i Asa mpanjaka i Beny-Hadada ka naniraka ny komandin’ny miaramilany hamely ny tanànan’ny Israely; ary namely an’Iona, i Dana, i Abela-Bety-Maka ary ny Kinerota manontolo mbamin’ny tanin’ny Naftaly manontolo izy.

21Rehefa ren’i Basa izany dia nitsahatra tsy nanamboatra an’i Rama intsony izy sady nitoetra tao Tirza.

22I Asa mpanjaka kosa dia nampiantso ny Joda rehetra ka tsy nisy izay tsy nampandrenesiny, mba hanaisotra ny vato sy ny hazo tao Rama izay naorin’i Basa; ary noentin’i Asa mpanjaka nanorenana an’i Geban’i Benjamina sy Mizpa kosa izany.

2Tan 16.11–17.1

23Ny tantaran’i Asa sisa rehetra sy ny heriny rehetra mbamin’izay rehetra nataony ary ny tanàna izay naoriny, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Joda va izany? Fa tamin’ny andron’ny fahanterany dia narary tongotra izy.

24Ary nodimandry any amin’ny razany izy ka nalevina tao amin’ny razany tao amin’ny Tanànan’i Davida rainy. I Josafata zanany no nanjaka nandimby azy.

I Nadaba, mpanjakan’ny Israely

25Tonga mpanjakan’ny Israely i Nadaba zanak’i Jeroboama, tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Asa, mpanjakan’ny Joda. Nanjaka roa taona tamin’ny Israely izy.

26Nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO izy, fa nandeha tamin’ny lalan’ny rainy sy tamin’ny fahotany izay nampanotany ny Israely.

27Ary nikomy taminy i Basa, zanak’i Ahia, avy amin’ny taranak’Isakara, ka namely azy tao Gibetona izay an’ny Filistina, raha i Nadaba sy ny Israely rehetra nanao fahirano an’i Gibetona.

28Nahafaty azy i Basa tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Asa, mpanjakan’ny Joda ka izy no nanjaka nisolo azy.

29Rehefa nanjaka izy dia namely ny mpianakavin’i Jeroboama rehetra ka tsy nisy navelany ho velona na dia iray akory aza fa naringany avokoa ireo araka ny tenin’NY TOMPO izay nampilazainy an’i Ahia silonita, mpanompony;

30izany dia noho ny fahotana nataon’i Jeroboama sy noho ny nampanotany ny Israely tamin’izay nataony ka nahatezitra NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely.

31Ny tantaran’i Nadaba sisa mbamin’izay rehetra nataony, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Israely va izany?

32Niady i Asa sy i Basa, mpanjakan’ny Israely, tamin’ny andro rehetra niainany.

I Basa, mpanjakan’ny Israely

33Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Asa, mpanjakan’ny Joda, no tonga mpanjakan’ny Israely rehetra tao Tirza i Basa, zanak’i Ahia, ka nanjaka efatra amby roapolo taona izy.

34Nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO izy, fa nandeha tamin’ny lalan’i Jeroboama sy tamin’ny fahotany izay nampanotany ny Israely.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help