Salamo 75 - Malagasy Protestant Bible 2011

Andriamanitra no MpitsaraHo an’ny mpiventy hira. Al-tashet. Salamo nataon’i Asafa. Tononkira.

1Isaoranay Ianao, Andriamanitra ô; eny, isaoranay Ianao;

fa akaiky ny anaranao;

mitory ny fahagagana ataonao ny olona.

2Amin’ny fotoana voatendriko

dia Izaho no hitsara marina.

3Mihorohoro ny tany sy ny mponina rehetra eo aminy,

nefa Izaho no nampiorina ny andriny. Fiatoana.

4Hoy aho tamin’ny mpirehareha: Aza mirehareha!

Ary tamin’ny ratsy fanahy: Aza manandra-tandroka!

5Aza manandratra ny tandrokareo ho avo

ary aza mikiribiby amin’ny fiteny an’avona.

6Fa tsy avy any atsinanana na avy any andrefana

na avy any atsimo na avy any amin’ny tendrombohitry ny tany efitra no hiavian’ny fisandratana.

7Fa Andriamanitra no Mpitsara;

mampietry ny iray Izy ary manandratra ny iray hafa kosa.

8Fa misy kapoaka eo an-tanan’NY TOMPO,

feno divay mandroatra, miharoharo zavatra iny ka ampisotroany;

eny, ny ratsy fanahy rehetra amin’ny tany dia hitroka ny faikany.

9Fa hanambara izany mandrakariva aho

ka hankalaza an’Andriamanitr’i Jakoba.

10Ny tandroky ny ratsy fanahy rehetra dia hotapahiko;

ny tandroky ny marina dia hasandratra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help