2Tesaloniana 1 - Malagasy Protestant Bible 2011

Fiarahabana

1I Paoly sy i Silasy ary i Timoty no mamangy ny fiangonan’ny Tesaloniana, izay ao amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo:

2Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo.

Ny fitsarana amin’ny andro hiavian’i Kristy

3Tsy maintsy misaotra an’Andriamanitra mandrakariva izahay noho ny aminareo, ry rahalahy, fa mendrika hatao izany satria mandroso fatratra ny finoanareo ary mitombo ny fifankatiavanareo rehetra.

4Reharehan’ny tenanay eny amin’ny fiangonan’Andriamanitra ianareo noho ny faharetanareo sy ny finoanareo amin’ny fanenjehana rehetra izay manjo anareo sy ny fahoriana izay iaretanareo.

5Famantarana ny fitsarana marin’Andriamanitra ireny mba hatao ho mendrika ny fanjakan’Andriamanitra ianareo sady izany rahateo koa no iaretanareo.

6Zavatra marina amin’Andriamanitra ny hamaly fahoriana izay mampahory anareo,

7ary ny hanome fitsaharana anareo izay ampahorina kosa mbamin’ny tenanay, rehefa hiseho avy any an-danitra Jesosy Tompo, mbamin’ny anjeliny mahery,

8amin’ny afo midedadeda, hamaly izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny Filazantsaran’i Jesosy Tompontsika.

9Ireny olona ireny no hiharan’ny famaliana marina, dia fahaverezana mandrakizay, lavitry ny fanatrehan’ny Tompo sy ny voninahitry ny heriny,

10rehefa tonga Izy mba hankalazaina eo amin’ny olony masina sy hampitolagaga azy eo amin’izay rehetra mino amin’izany andro izany satria ninoana ny fanambarànay taminareo.

11Izany no angatahinay mandrakariva ho anareo mba hataon’Andriamanitsika ho mendrika ny fiantsoana ianareo, ary hotanterahiny amin’ny hery ny fankasitrahana tsara rehetra sy ny asan’ny finoana

12mba hankalazaina ao aminareo ny anaran’i Jesosy Tompontsika ary ao Aminy kosa ianareo, araka ny fahasoavan’Andriamanitsika sy Jesosy Kristy Tompo.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help