Isaia 21 - Malagasy Protestant Bible 2011

Rava i Babilona

1Ny amin’ny loza hanjo ny tany efitra amoron’ny ranomasina.

Tahaka ny firimorimon’ny tadio any Negeva

no fiaviny avy any an-tany efitra, avy any amin’ny tany mahatahotra.

2Misy fahitana mampahory aseho amiko:

Mamitaka ny mpamitaka ary mandringana ny mpandringana.

Iakaro, ry Elama ô! Ataovy fahirano, ry Media ô!

Hatsahatro ny fisentoana rehetra.

3Ary raha nahita izany aho dia feno fanaintainana ny andilako;

fijalijaliana no nahazo ahy

tahaka ny fijalijalian’ny vehivavy raha miteraka;

niolanolana fatratra aho ka tsy nandre;

toran-kovitra aho ka tsy nahita.

4Niemponempona ny foko,

horohoro no nahazo ahy;

navadiny ho fangovitana ny hariva niriko ho avy.

5Velarina ny latabatra,

miambina ny mpiambina,

mihinana sy misotro ny olona.

Mitsangàna ianareo lehibe!

Hosory diloilo ny ampinga!

6Fa izao no nolazain’NY TOMPO tamiko:

Mandehana, manendre mpitily,

koa izay hitany no aoka holazainy.

7Dia nahita izy ka indreo kalesy fitondra miady,

soavaly mandeha tsiroaroa

sy boriky betsaka

ary rameva betsaka;

dia nihaino izy; eny, nihaino tsara;

8Dia niantso mafy nanao feon-diona izy hoe:

Tompo ô! Mijanona mandrakariva eto ambonin’ny fitazanako aho amin’ny antoandro,

ary mitoetra eto amin’ny fiambenako aho mandritra ny alina.

9Koa indro, avy ny kalesy fitondra miady miaraka amin’olona;

soavaly mandeha tsiroaroa!

Ary hoy izy hoe:

Rava, rava i Babilona!

Ary ny sarivongan’ny andriamaniny rehetra dia voatorotoro miraraka amin’ny tany!

10Ianareo izay voavely toy ny vary teo am-pamoloako!

Izay efa reko tamin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely,

no nambarako taminareo.

Ry mpiambina ô! Amin’ny firy alina moa izao?

11Ny amin’ny loza hanjo an’i Edoma.

Misy miantsoantso ahy any Seìra hoe:

Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao?

Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao?

12Dia hoy ny mpiambina:

Avy ny maraina, avy koa ny alina.

Raha mbola ta hanontany ianareo dia manontania ihany!

Dia miverena indray; eny, miverena!

Ny loza hanjo an’i Arabia

13Ny loza hanjo an’i Arabia.

Any anaty kirihitrala any Arabia no handrianareo,

ry andian’ny Dedanita!

14Itondray rano ny mangetaheta;

itondray mofo mitsena ireo olona mandositra,

ry mponina amin’ny tany Tema.

15Fa mandositra ny sabatra ireo,

dia ny sabatra voatsoaka sy ny tsipìka voahenjana

ary ny havesatry ny ady.

16Fa izao no nolazain’NY TOMPO tamiko: Ato anatin’ny herintaona, tahaka ny taonan’ny mpikarama, dia ho levona avokoa ny voninahitr’i Kedara.

17Ho vitsy foana sisa ny tsipìka izay an’ny lehilahy mahery, taranak’i Kedara; fa NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, no efa niteny.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help