Salamo 118 - Malagasy Protestant Bible 2011

Velona aho mba hitory ny asan’NY TOMPO

1Miderà NY TOMPO fa tsara Izy;

fa mandrakizay ny famindrampony.

2Aoka ny Israely hilaza hoe:

Mandrakizay ny famindrampony.

3Aoka ny taranak’i Arona hilaza hoe:

Mandrakizay ny famindrampony.

4Aoka izay matahotra NY TOMPO hilaza hoe:

Mandrakizay ny famindrampony.

5Tao amin’ny fahoriana no niantsoako NY TOMPO,

dia namaly ahy NY TOMPO ka nampahalalaka ahy.

6NY TOMPO no miandany amiko ka tsy hatahotra aho.

Inona no azon’ny olona atao amiko?

7NY TOMPO no miandany amiko sady mamonjy ahy

ary ho faly aho hahita ny amin’izay mankahala ahy.

8Tsara ny mialoka amin’NY TOMPO

noho ny mialoka amin’ny olona.

9Tsara ny matoky NY TOMPO

noho ny matoky ny mpanapaka.

10Nanodidina ahy ny firenena rehetra,

fa ny anaran’NY TOMPO no nandringanako azy;

11nanodidina ahy ireny; eny, nitangorona tamiko;

ny anaran’NY TOMPO anefa no nandringanako azy.

12Nanodidina ahy tahaka ny renitantely izy;

voavono tahaka ny afon-tsilo izy;

fa ny anaran’NY TOMPO no nandringanako azy.

13Nanosika ahy mafy hahalavo ahy ianao

nefa NY TOMPO no namonjy ahy.

14NY TOMPO no heriko ary Izy no deraiko,

fa Izy no famonjena ahy.

15Ao an-dain’ny marina ny feo mihoby noho ny famonjena;

ny tanana ankavanan’NY TOMPO dia mampiseho hery;

16ny tanana ankavanan’NY TOMPO dia misandratra;

ny tanana ankavanan’NY TOMPO dia mampiseho hery.

17Tsy ho faty aho fa ho velona

ka hitory ny asan’NY TOMPO.

18Nofaizin’NY TOMPO mafy aho

nefa tsy natolony ho amin’ny fahafatesana.

19Vohay ny vavahadin’ny fahamarinana aho;

hiditra eo aho ka hidera NY TOMPO.

20Ity no vavahadin’NY TOMPO;

ny marina no hiditra eo.

21Hidera Anao aho fa efa namaly ahy Ianao

ka Ianao no famonjena ahy.

22Ny vato izay nolavin’ny mpanao trano

no tonga vato fehizoro.

23Avy tamin’NY TOMPO izany

ka zava-mahagaga eo imasontsika.

24Ity no andro nataon’NY TOMPO;

hifaly sy ho ravoravo amin’izany isika.

25Mifona Aminao aho, TOMPO ô, vonjeo e!

Mifona Aminao aho, TOMPO ô, ambino e!

26Hotahina anie izay avy amin’ny anaran’NY TOMPO;

avy ao amin’ny tranon’NY TOMPO no itsofanay rano anareo.

27Andriamanitra NY TOMPO ka nampahazava antsika.

Rohizo kofehy ny fanati-piravoravoana

na dia hatreo amin’ny tandroky ny alitara aza.

28Andriamanitro Ianao ka hidera Anao aho;

eny, Andriamanitro, ka hanandratra Anao aho.

29Miderà NY TOMPO fa tsara Izy;

eny, mandrakizay ny famindrampony.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help