Salamo 50 - Malagasy Protestant Bible 2011

Miseho Andriamanitra mba hanambara ny fitsarànySalamo nataon’i Asafa.

1Andriamanitra, NY TOMPO Andriamanitra, no miteny ka miantso ny tany

hatrany amin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatrany amin’ny filentehany.

2Avy ao Ziona izay tanteraka amin’ny hatsaran-tarehy

no amirapiratan’Andriamanitra.

3Avy Andriamanitsika ka tsy hangina;

afo no mandevona eo alohany

ary tafio-drivotra mahery no manodidina Azy.

4Miantso ny lanitra any ambony

sy ny tany koa Izy mba hitsarany ny olony:

5Angony etỳ Amiko ny olona mahatoky Ahy

dia izay manao fanekena Amiko amin’ny fanatitra!

6Holazain’ny lanitra ny fahamarinany

satria Andriamanitra no Mpitsara. Fiatoana

7Mihainoa, ry oloko, fa hiteny Aho;

ry Israely ô, mihainoa fa hanambara aminao Aho:

Izaho no Andriamanitra, dia Andriamanitrao.

8Tsy ny fanatitrao no ananarako anao

ary eo anatrehako mandrakariva ny fanatitra dorana manontolo natolotrao.

9Tsy haka vantotra ombilahy ao amin’ny tranonao Aho

na osilahy ao amin’ny valanao.

10Fa Ahy ny biby rehetra any an’ala

sy ny biby fiompy arivoarivo eny an-tendrombohitra;

11fantatro ny vorona rehetra eny an-tendrombohitra

ary Ahy avokoa ny zava-mihetsiketsika eny an-tsaha.

12Raha mba noana Aho dia tsy hilaza aminao

fa Ahy izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy.

13Mihinana ny nofon’ny ombilahy va Aho

na misotro ny ran’osilahy?

14Manolora fanati-pisaorana ho an’Andriamanitra

ary efao amin’ny Avo Indrindra ny voadinao.

15Antsoy Aho amin’ny andro fahoriana

dia hanafaka anao Aho ka hanome voninahitra Ahy ianao.

16Hoy Andriamanitra amin’ny ratsy fanahy:

Nahoana ianao no mitanisa ny lalànako

sy mitondra ny fanekeko eo am-bavanao?

17Nefa ianao dia mankahala fananarana

sady arianao any ivohonao ny teniko!

18Raha mahita mpangalatra ianao dia faly hikambana aminy

sady miray anjara amin’ny mpijangajanga.

19Avelanao hiteny ratsy ny vavanao

sady mamorom-pitaka ny lelanao.

20Mipetraka miteny ratsy ny rahalahinao ianao

sady manendrikendrika ny zanaky ny reninao.

21Izany no nataonao nefa nangina ihany Aho.

Dia noheverinao fa mitovy aminao ihany Aho

nefa hananatra anao Aho ka handahatra izany eo imasonao.

22Mihevera izany ankehitriny, ianareo izay manadino an’Andriamanitra,

fandrao hamiravira Aho ka tsy hisy hanafaka.

23Izay manolotra fanati-pisaorana no manome voninahitra Ahy;

izay mitandrina ny lalany no hanehoako ny famonjen’Andriamanitra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help