1Maharikoriko ahy ny aiko!
Hamoaka ny fitarainako aho
ary hiteny noho ny fangidian’ny fanahiko.
2Hiteny amin’Andriamanitra aho hoe: Aza manameloka ahy!
Mba ampahalalao ahy izay anton’ny iadianao amiko!
3Mahafaly Anao va ny hampahory
sy hanary ny efa nisasaran’ny tananao
ka hamirapiratra amin’ny fisainan’ny ratsy fanahy Ianao?
4Manana maso nofo va Ianao
na mijery tahaka ny fijerin’ny zanak’olombelona?
5Tahaka ny andron’ny zanak’olombelona va ny andronao
na tahaka ny taonan’ny olombelona va ny taonanao
6no dia mikaroka izay heloko Ianao
ary mikatsaka izay fahotako,
7na dia fantatrao aza fa tsy mba ratsy fanahy aho
ary tsy misy mahavonjy amin’ny tananao?
8Ny tananao ihany no namorona ahy ka nanisy endrika izao tenako rehetra izao,
kanjo levoninao indray aho izao!
9Miangavy Anao aho, tsarovy fa notefenao toy ny tanimanga aho,
koa hamerina ahy amin’ny vovoka indray va Ianao!
10Tsy naidinao toy ny ronono va aho
ka nampandrinao toy ny rononomandry?
11Eny, notafianao hoditra sy nofo aho
ary norarinao tamin’ny taolana sy ny ozatra.
12Aina sy famindrampo no nomenao ahy
ary ny fiahianao no niaro ny fofonaiko.
13Saingy izao no nafeninao tao am-ponao;
eny, fantatro fa tao Aminao izao:
14Raha manota aho dia mamantatra ahy Ianao
ka tsy manafaka ahy amin’ny heloko.
15Raha meloka aho dia lozako!
Ary na dia marina aza aho dia tsy ho sahy miandrandra
satria feno henatra sady mahatsiaro fahoriana aho.
16Fa raha sahy miandrandra aho dia hihaza ahy tahaka ny liona masiaka Ianao
ary hiverina indray Ianao ka ho mahagaga ny famelinao ahy.
17Mbola hanangana vavolombelona vaovao mandrakariva hanameloka ahy Ianao
ary hampitombo ny fahatezeranao amiko;
fahavalo mifanontona no mamely ahy.
18Koa nahoana no namoaka ahy foana avy tany am-bohoka Ianao?
Fa raha tsy izany dia ho niala aina aho ka tsy mba nisy maso nahita ahy akory,
19ary efa toy ny tsy ary aho
ka noentina avy tany an-kibo ho any am-pasana.
20Tsy vitsy va ny androko? Koa mitsahara Ianao,
mihataha mba hakako aina kely,
21dieny tsy mbola lasa ka tsy hiverina intsony aho,
dia ho any amin’ny tanin’ny haizina sy ny aloky ny fahafatesana,
22ho any amin’ny tany maizim-pito,
dia ny an’ny aloky ny fahafatesana sy ny fikorontanana
sady maizim-pito ny famirapiratana any!
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.