Joba 2 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ny fizahan-toetra faharoa nanjo an’i Joba

1Indray andro koa dia avy ireo zanak’Andriamanitra hiseho teo anatrehan’NY TOMPO dia mba tonga teo koa i Satana tafaharo taminy, mba hiseho teo anatrehan’NY TOMPO.

2Dia hoy NY TOMPO tamin’i Satana: Avy taiza ianao? Ary namaly NY TOMPO i Satana hoe: Avy nivezivezy teny ambonin’ny tany aho, nandehandeha teny.

3Dia hoy NY TOMPO tamin’i Satana: Efa nandinika an’i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin’ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an’Andriamanitra ka mifady ny ratsy. Ary mbola mitana mafy ny fahamarinany ihany izy na dia nanesika Ahy hamongotra azy tsy amin’antony aza ianao.

4Ary i Satana dia namaly NY TOMPO hoe: Hoditra fefin’ny hoditra! Eny, izay rehetra ananan’ny olona dia homeny ho fefin’ny ainy.

5Fa atsory ange ny tananao ka tendreo ny taolany sy ny nofony raha tsy handa Anao eo imasonao aza izy e!

6Dia hoy NY TOMPO tamin’i Satana: Indro, eo an-tananao izy; ny ainy tokana ihany no aza asiana!

7Dia niala teo anatrehan’NY TOMPO i Satana ka namely vay ratsy an’i Joba hatreo am-paladiany ka hatrany an-tampon-dohany.

8Dia naka tavim-bilany hihaorany izy sady nipetraka teo amin’ny lavenona.

9Ary hoy ny vadiny taminy: Mbola mitana ny fahamarinanao ihany va ianao? Mahafoiza an’Andriamanitra ianao, dia aoka ho faty!

10Fa hoy izy taminy: Tahaka ny tenin’ny vehivavy adala ny teninao! Moa ny soa ihany va no horaisintsika avy amin’Andriamanitra fa tsy ny ratsy koa? Tamin’izany rehetra izany dia tsy nanota tamin’ny molony i Joba.

Tonga hampionona an’i Joba ireo namany telo lahy

11Rehefa ren’ny sakaizan’i Joba telo lahy ny fahoriana rehetra izay nanjo azy dia samy niainga avy tany amin’ny fonenany avy izy, dia i Elifaza temanita, i Bildada sohita ary i Zofara namatita. Nifamotoana izy ireo mba handeha hitsapa alahelo sy hampionona azy.

12Ary nanopy ny masony teny lavidavitra teny izy telo lahy ka tsy nahafantatra azy, dia nanandratra ny feony ka nitomany; ary samy nandriatra ny akanjobeny avy koa izy rehetra dia nanipy vovoka ho amin’ny lanitra hiraraka amin’ny lohany.

13Ary niara-nipetraka teo aminy tamin’ny tany fito andro sy fito alina izy, nefa tsy nisy niteny taminy na dia indraimbava akory aza satria hitany fa mafy loatra ny fahoriany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help