Salamo 48 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ny tanànan’ny Mpanjaka lehibeTononkira. Salamo nataon’ny Koraìta.

1Lehibe NY TOMPO ka mendrika Azy ny fiderana ambony indrindra,

ao an-tanànan’Andriamanitsika, ao an-tendrombohiny masina.

2Avo mahafinaritra sady fifalian’ny tany rehetra

ny tendrombohitra Ziona eo amin’ny ilany avaratra,

tanànan’ny Mpanjaka lehibe.

3Andriamanitra ao an-dapa ao

dia nanao izay hahafantarana Azy ho fiarovana avo.

4Fa indro, nivondrona ny mpanjaka maro,

niara-nandroso avokoa izy.

5Nijery izy ka talanjona erỳ,

very hevitra ka nalaky nandositra.

6Hovitra no nahazo azy teo,

tahaka ny fanaintainan’ny vehivavy eo am-piterahana;

7tamin’ny rivotra avy any atsinanana

no namakianao ny sambon’i Tarsisy.

8Araka izay efa rentsika no hitantsika

tao an-tanànan’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao,

tao an-tanànan’Andriamanitsika:

Mampitoetra azy mandrakizay Andriamanitra. Fiatoana

9Andriamanitra ô! Efa nieritreritra ny famindramponao

tao anatin’ny tempolinao izahay.

10Tahaka ny anaranao, Andriamanitra ô,

ny fiderana Anao hatrany amin’ny faran’ny tany.

Feno fahamarinana ny tananao ankavanana.

11Mifaly ny tendrombohitra Ziona

ary miravoravo ny zanakavavin’i Joda

noho ny fitsaranao.

12Manodidìna an’i Ziona ianareo; eny, mandehana manodidina azy;

isao ny tilikambo fiambenany,

13jereo tsara ny mandany,

diniho ny lapany,

mba hotantarainareo amin’ny taranaka ho avy.

14Fa izany no Andriamanitra, Andriamanitsika mandrakizay doria;

Izy no hitarika antsika mandra-pahafaty.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help