1Mihirà fihiram-baovao ho an’NY TOMPO;
fa nanao fahagagana Izy;
ny tanany ankavanana sy ny sandriny masina no nahavitany famonjena.
2NY TOMPO nampahafantatra ny famonjeny;
teo imason’ny Jentilisa no nanehoany ny fahamarinany.
3Nahatsiaro ny famindrampony sy ny fahamarinany
tamin’ny taranak’Israely Izy;
nahita ny famonjen’Andriamanitsika ny vazan-tany rehetra.
4Mihobia ho an’NY TOMPO, ry tany rehetra!
Velomy ny hoby ka mihirà!
5Mankalazà NY TOMPO amin’ny lokanga,
dia amin’ny lokanga sy ny feon-kira,
6amin’ny trompetra sy ny fitsofana ny anjomara
ka mihobia eo anatrehan’NY TOMPO Mpanjaka.
7Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy,
izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy.
8Aoka hiteha-tanana ny riaka;
aoka hiara-mihoby aminy koa ny tendrombohitra,
9eo anatrehan’NY TOMPO, fa avy hitsara ny tany Izy.
Hitsara izao rehetra izao amin’ny fahamarinana Izy
ary ny firenena amin’ny fahitsiana.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.