Jeremia 25 - Malagasy Protestant Bible 2011

Telo amby roapolo taona naminaniana

1Izao no teny tonga tamin’i Jeremia ny amin’ny Joda rehetra tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda, ny taona voalohany nanjakan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona,

2dia izay nolazain’i Jeremia mpaminany tamin’ny Joda rehetra sy tamin’ny mponina rehetra tany Jerosalema hoe:

3Hatramin’ny taona fahatelo amby folo nanjakan’i Josia, zanak’i Amona, mpanjakan’ny Joda, ka mandraka androany, dia telo amby roapolo taona izao, no nahatongavan’ny tenin’NY TOMPO tamiko, ary nolazaiko taminareo, eny, nifoha vao maraina aho ka nilaza nefa tsy nihaino ianareo.

4Ary NY TOMPO naniraka ny mpaminany mpanompony rehetra ho any aminareo, eny, nifoha vao maraina Izy ka naniraka, nefa tsy nihaino ianareo, na nanongilan-tsofina hihaino hoe:

5Samia ianareo miala amin’ny lalan-dratsinareo avy sy amin’ny ratsy fanaonareo, dia honina any amin’ny tany izay nomen’NY TOMPO anareo sy ny razanareo hatrizay ka ho mandrakizay.

6Ary aza manaraka andriamanitra hafa hanompo azy sy hiankohoka eo anatrehany, ary aza mampahatezitra Ahy amin’ny asan’ny tananareo, fandrao hahatonga loza aminareo Aho.

7Nefa tsy nihaino Ahy ianareo, hoy NY TOMPO, ka nampahatezitra Ahy tamin’ny asan’ny tananareo ianareo dia nahita loza.

8Koa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Noho ny tsy nihainoanareo ny teniko

9dia indro, hampanalaiko ny firenena rehetra any avaratra sy i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, mpanompoko, hoy NY TOMPO, ary hoentiko hamely ity tany ity sy ny mponina eto mbamin’ireto firenena manodidina rehetra ireto izy, ary haringako toy ny zavatra voaozona tokoa ireo ka hataoko ho figagana sy zavatra mampisitrisitra sady ho rava mandrakizay.

10Ary hatsahatro eo aminy ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon’ny mpampakatra sy ny feon’ny ampakarina, ny feon’ny vato fikosoham-bary ary ny fahazavan’ny jiro.

11Ary ity tany manontolo ity dia ho foana sy ho lao, fa ireto firenena rehetra ireto dia hanompo ny mpanjakan’i Babilona fitopolo taona.

12Rehefa tapitra ny fitopolo taona, hoy NY TOMPO, dia hovaliako kosa ny mpanjakan’i Babilona sy izany firenena izany noho ny helony, ary ny tanin’ny Kaldeana koa dia hataoko rava mandrakizay.

13Ary hotanterahiko amin’izany tany izany ny teniko rehetra izay efa nambarako hamelezana azy, dia izay rehetra voasoratra ato amin’ity boky ity, izay nambara tamin’i Jeremia mpaminany hoenti-mamely ny firenena rehetra.

14Fa ireo kosa indray dia hanompo firenena maro sy mpanjaka lehibe maro; ary hovaliako araka ny nataony sy araka ny asan’ny tanany avy izy.

Ny kapoakan-divay, sarin’ny fitsarana

15Fa izao no nolazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, tamiko: Raiso etỳ an-tanako ity kapoakan-divain’ny fahatezerana mirehitra ity ka ampisotroy ny firenena rehetra izay anirahako anao.

16Ary hisotro izy ka hirepirepy sy ho very saina noho ny sabatra izay hampameleziko azy.

17Dia noraisiko ny kapoaka teny an-tanan’NY TOMPO ka nampisotroiko ny firenena rehetra izay nanirahan’NY TOMPO ahy,

18dia Jerosalema, ny tanànan’ny Joda, ny mpanjakany ary ny mpanapaka, mba hahatonga azy ho tany lao sy ho figagana, ho zavatra mampisitrisitra ary fanozonana tahaka ny amin’izao anio izao;

19i Farao, mpanjakan’i Ejipta, ny mpanompony, ny mpanapaka mbamin’ny vahoakany rehetra;

20ny olona samihafa firenena rehetra, ny mpanjaka rehetra amin’ny tany Oza, ny mpanjaka rehetra amin’ny tanin’ny Filistina, Askelona, Gaza, Ekrona, ny sisa any Asdoda;

21Edoma, Moaba, ny taranak’i Amona,

22ny mpanjaka rehetra any Tiro, ny mpanjaka rehetra any Sidona, ny mpanjakan’ny nosy any andafin’ny ranomasina;

23Dedana, Tema, Boza ary izay rehetra voahety sisim-bolo;

24ny mpanjaka rehetra any Arabia, ny mpanjaka rehetra amin’ny firenena maro samihafa izay monina any an-tany efitra;

25ny mpanjaka rehetra any Zimry, ny mpanjaka rehetra any Elama, ny mpanjaka rehetra any Media,

26ny mpanjaka rehetra any avaratra, na ny lavitra na ny akaiky, na iza na iza, ary ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao, izay etỳ ambonin’ny tany; ary ny mpanjakan’i Sesaka koa dia hisotro rehefa avy misotro ireo.

27Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Misotroa ianareo ka mimamoa sy mandoava ary mianjerà, koa aza miarina intsony noho ny sabatra izay hampameleziko anareo.

28Ary raha tsy mety mandray ny kapoaka eny an-tananao hosotroiny izy dia lazao aminy hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Tsy maintsy misotro ianareo.

29Fa indro, tao amin’ny tanàna izay efa niantsoana ny anarako aza no nanombohako ny loza, koa ho afaka madiodio va ianareo? Tsy ho afaka madiodio ianareo; fa hiantso sabatra Aho hamelezana ny mponina rehetra amin’ny tany, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.

30Koa maminania aminy ianao araka izao teny rehetra izao ka teneno hoe:

NY TOMPO hierona any ambony

ary hanandratra ny feony any amin’ny fitoerany masina,

eny, hierona mafy amin’ny sahany Izy

ka hanakora toy ny mpanosihosy voaloboka,

hamelezana ny mponina rehetra amin’ny tany.

31Mihatra amin’ny faran’ny tany ny fihorakorahana;

fa NY TOMPO manana ady amin’ny firenena;

mifandahatra amin’ny nofo rehetra Izy

ka ny ratsy fanahy dia atolony ho an’ny sabatra,

hoy NY TOMPO.

32Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao:

Indro, hisy loza hivoaka hitety ny firenena samihafa,

ary hisy tafio-drivotra mahery hiposaka avy any amin’ny faran’ny tany;

33Amin’izany andro izany ny voavonon’NY TOMPO dia hiampatrampatra hatrany amin’ny faran’ny tany iray ka hatrany amin’ny farany iray hafa koa; tsy hisaonana, na hangonina, na halevina ireny, fa ho zezika eny ambonin’ny tany.

34Midradradradrà ianareo mpitondra, ary miantsoantsoa mafy;

eny, mihosinkosena ianareo mpiandry ny ondry!

Fa tonga ny andro hamonoana anareo;

ary hampieleziko ianareo

ka hianjera toy ny fianjeran’ny fanaka sarobidy.

35Tsy hisy toerana handosiran’ny mpitondra

ary tsy hisy fahafahana ho an’ny mpiandry ny ondry.

36Injany misy feo fitarainan’ny mpitondra

sy fidradradradran’ny mpiandry ny ondry aminy!

Satria efa nosimban’NY TOMPO ny saha fiandrasana azy;

37ary efa tonga lao ny kijana niadanana

noho ny firehetan’ny fahatezeran’NY TOMPO.

38Nandao ny fiereny toy ny liona tanora Izy;

fa efa lao ny taniny

noho ny fahasiahan’ny mpampahory

sy noho ny firehetan’ny fahatezerany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help