Salamo 65 - Malagasy Protestant Bible 2011

Andriamanitra Mpihaino vavaka, Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izaoHo an’ny mpiventy hira. Salamo nataon’i Davida. Tononkira.

1Ho Anao ny fahanginana sy ny fiderana,

Andriamanitra any Ziona ô,

ary Aminao no anefana ny voady.

2Ry Mpihaino vavaka ô,

Ianao no hohatonin’ny nofo rehetra.

3Ny zava-mahameloka ahy dia mihoatra noho izay zakako;

nefa Ianao no mamela ny fahadisoanay.

4Sambatra izay fidinao sy ampanatoninao mba hitoetra eo an-kianjanao!

Ho voky ny zava-tsoa ao amin’ny tranonao izahay, dia ny zava-masina ao amin’ny tempolinao.

5Zava-mahatahotra no ataonao amin’ny fahamarinana ho valin’ny vavakay,

ry Andriamanitry ny famonjena anay ô,

ry tokin’ny faran’ny tany rehetra sy ny ranomasina eny lavitra eny!

6Mampiorina ny tendrombohitra amin’ny heriny Izy,

misikina fahatanjahana Izy.

7Mampitsahatra ny firohondrohon’ny onjan-dranomasina

sy ny fitabataban’ny firenena Izy.

8Dia matahotra noho ny famantarana ataonao ny mponina any am-paran’ny tany;

fenoinao hoby ny any amin’ny fiposahan’ny maraina sy ny hariva.

9Mamangy ny tany Ianao ka mahamando azy;

mampahavokatra azy betsaka Ianao;

ny onin’Andriamanitra dia tondra-drano;

manomana vary ho an’ny olona Ianao.

Izany no fanomananao ny tany.

10Mahampoka ny tany voaasa Ianao ka mampiravona azy;

ranonorana mivatravatra no amontosanao azy;

mitahy ny fitsimohany Ianao.

11Satrohanao voninahitra ny taonan’ny fitahianao;

ny dianao dia mitete menaka.

12Vonton-drano ny fiandrasana ondry any an-tany efitra

ary misikina fifaliana ny havoana.

13Rakotra ondry ny saha

ary voasarona vary ny lohasaha:

Mihoby izy; eny, mihira koa.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help