Zakaria 7 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ny fifadian-kanina ho fahatsiarovana ny naharavan’i Jerosalema

1Tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Dariosy no nahatongavan’ny tenin’NY TOMPO tamin’i Zakaria, tamin’ny andro fahefatra tamin’ny volana fahasivy na Kisleo.

2Ary i Betela-Serezera sy i Regema-Meleka mbamin’ny olony dia nandefa iraka mba hifona amin’NY TOMPO

3ka hiteny amin’ny mpisoron’ny tranon’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, sy amin’ny mpaminany hoe: Hitomany amin’ny volana fahadimy va aho ka hifady hanina toy ny efa fanaoko taona maro teo aloha?

4Dia tonga tamiko ny tenin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao hoe:

5Lazao amin’ny vahoaka rehetra amin’ny tany sy amin’ny mpisorona hoe:

Raha nifady hanina sy nitomany

tamin’ny volana fahadimy sy ny fahafito

nandritra ny fitopolo taona ianareo,

moa ho Ahy tokoa no nifadianareo?

6Ary raha mihinana sy misotro ianareo,

moa tsy ianareo ihany va no mihinana sy misotro?

7Moa tsy tokony ho nihaino ny teny izay nasain’NY TOMPO nantsoin’ny mpaminany fahiny va ianareo, fony mbola nonenana sy nandry fehizay i Jerosalema sy ny vohitra miankina aminy, sady nonenana koa i Negeva sy i Sefela?

8Ary tonga tamin’i Zakaria ny tenin’NY TOMPO hoe:

9Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao:

Manaova fitsarana marina

ary samia mifampiantra

sy mifamindra fo amin’ny rahalahiny avy.

10Aza mampahory ny mpitondratena na ny kamboty,

na ny vahiny, na ny mahantra,

ary aza mihevitra ao am-ponareo

hanisy ratsy ny rahalahinareo ianareo.

11Nefa tsy nety nihaino ireny fa nampihemotra ny sorony ary nanentsin-tadìny izy mba tsy handre.

12Eny, nataony mafy toy ny diamondra ny fony mba tsy hihainoany ny lalàna sy ny teny izay nampitondrain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, tamin’ny Fanahiny tamin’ny alalan’ny mpaminany fahiny. Koa izany no nahatonga ny fahatezerana mafy avy tamin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.

13Koa toy ny niantsoan’NY TOMPO, nefa tsy nohenoiny, dia ho toy izany kosa no hiantsoany Ahy fa tsy hohenoiko, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao,

14fa naeliko tamin’ny tafio-drivotra ho any amin’ny firenena rehetra izay tsy fantany izy. Toy izany no nahalao ny tany izay navelany tao aorianany ka tsy nisy olona nandroso na niverina; fa nahatonga ny tany mahafinaritra ho tany lao izy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help