1Samoela 29 - Malagasy Protestant Bible 2011

Noroahin’ny Filistina i Davida

1Ary namory ny miaramilany rehetra ho ao Afeka ny Filistina; fa ny Israely kosa dia nitoby teo anilan’ny loharano ao Jezirela.

2Nandroso nitarika ny miaramilany isan-jato sy isan’arivo ireo andrianan’ny Filistina; fa i Davida sy ny olony kosa dia nandroso teo aoriana niaraka tamin’i Akisy.

3Hoy ireo andrianan’ny Filistina: Haninona moa ireto Hebreo ireto? Ary hoy i Akisy tamin’ireo andrianan’ny Filistina: Tsy io va no i Davida, mpanompon’i Saoly, mpanjakan’ny Israely, ilay tatỳ amiko elaela ihany izay, ary tsy hitako izay tsininy hatrizay nialany niandany tamiko ka mandraka androany?

4Dia tezitra taminy ireo andrianan’ny Filistina ka niteny taminy hoe: Avereno ho any amin’ny fonenany izay efa nomenao azy ihany Ilehio fa aza avela hiara-midina amintsika hiady, fandrao ho tonga fahavalontsika raha miady; fa amin’ny inona no hahazoan’io sitraka amin’ny tompony? Tsy amin’ny lohan’ireto olona ireto va?

5Tsy io moa no i Davida izay nandihizana sy nanaovana hira mifamaly hoe:

I Saoly dia nahafaty arivoarivo,

fa i Davida dia nahafaty alinalina?

6Ary niantso an’i Davida i Akisy ka niteny taminy hoe: Raha velona koa NY TOMPO, olona marina ianao sady sitrako ny hiarahanao amiko mivoaka sy miditra eto an-toby satria tsy hitako izay tsininao hatrizay nahatongavanao teto amiko ka mandraka androany; nefa kosa tsy sitrak’ireo andriana ireo ianao.

7Koa miverena ary mandehana soa amantsara mba tsy hanaovanao izay tsy sitrak’ireo andrianan’ny Filistina.

8Fa hoy i Davida tamin’i Akisy: Inona no nataoko, ary inona no hitanao tamin’ny mpanomponao hatrizay nitoerako tatỳ aminao ka mandraka androany, no tsy hahazoako mandeha hiady amin’ny fahavalon’ny mpanjaka tompoko?

9Dia namaly an’i Davida i Akisy hoe: Fantatro fa tsara eo imasoko tahaka ny anjelin’Andriamanitra ianao; nefa ireo andrianan’ny Filistina no niteny hoe: Tsy hiara-miakatra amintsika hiady izy.

10Koa mifohaza vao maraina ianao mbamin’ny mpanompon’ny tomponao izay nanaraka anao; ary rehefa mifoha maraina ianareo ka mazava ny andro dia mandehana.

11Ary nifoha vao mangiran-dratsy i Davida sy ny olony mba handeha hiverina maraim-be any amin’ny tanin’ny Filistina. Ny Filistina kosa dia niakatra nankany Jezirela.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help