Salamo INDRAY MIJERY - Malagasy Protestant Bible 2011
INDRAY MIJERYNy hoe Salamo dia avy amin’ny teny grika hoe Psalmos, izay milaza hira ampiarahina amin’ny zavamaneno. Ireo Salamo 150 dia hira izay nampiasaina teo amin’ny Fiangonana Israely tamin’ny fotoana samihafa. Izy ireny dia noforonina tamin’ny fotoana samihafa koa ary natambatra tsikelikely tao anatin’ny taonjato maro, nanomboka hatrany amin’ny faha mpanjaka tany ho any ka hatrany aorianan’ny fahababoana.Ireo sokajy misy ny ankamaroan’ny SalamoIreo Salamo 150 dia azo sokajina anatin’ny sokajy lehibe maromaro, araka ny fotokevitra ao anatiny sy ny nampiasana azy teo amin’ny fanompoam-pivavahana. Misy ihany ny Salamo maro izay tsy hay ampidirina amin’ny sokajy manokana, ary matetika, ao amin’ny Salamo iray dia ahitana mariky ny sokajy maromaro. Ohatra ny Salamo fitarainana dia ahitana filazana toky, fisaorana sy fiderana. Ny Salamo fisaorana dia ahitana fitarainana koa.Ireo sokajy misy ny ankamaroan’ny Salamo:1- Ny hira fankalazana, izay mankalaza ny voninahitra sy ny fahatsaran’Andriamanitra: 8; 19; 33; 100; 103–105; 111; 113; 114; 117; 135; 136; 145–1492- Ireo hira momba ny fanjakan’NY TOMPO, izay ahitana ny fanambaràna hoe NY TOMPO no Mpanjaka: 47; 93; 96–993- Ireo Salamon’ny mpanjaka, izay mikasika ny mpanjaka ary lazaina koa hoe Salamo mesianika: 2; 18; 20; 21; 45; 72; 89; 101; 110; 1444- Ireo Salamo fidirana ho ao amin’ny tempoly: 15; 245- Ny Hira fanao amin’ny fiakarana, nohiraina rehefa niakatra ho any Jerosalema tamin’ireo andro firavoravoana: 120–1346- Ny Hiran’i Ziona, izay mankalaza ny nifidianan’NY TOMPO an’i Ziona ho toeran’ny tempoly: 46; 48; 76; 87; 1327- Ireo Salamo mitondra hafatra fananarana ny Fiangonana, entin’ny mpisorona na mpaminany iray: 14; 50; 53; 75; 81; 958- Ireo Salamo mampianatra fahendrena: 1; 37; 49; 73; 78; 112; 119; 127; 1339- Ireo Salamo fitarainan’ny Fiangonana, raha misy loza manjo ny firenena: 12; 44; 58; 60; 74; 79; 80; 83; 85; 90; 94; 106; 108; 123; 126; 13710- Ireo Salamo fitarainan’olon-tokana noho ny antony maro samihafa: Aretina, fahatsiarovam-pahotana, fanenjehana, fanendrikendrehana, fahababoana. Ireo no maro an’isa ato amin’ny Boky: 5–7; 13; 17; 22; 25; 26; 28; 31; 35; 38; 39; 41–43; 51; 54; 57; 59; 61; 63; 64; 69–71; 86; 88; 102; 109; 120; 130; 140–14311- Ireo Salamo fisaorana, noho ny fanafahana tamin’ny loza, na ny famelan-keloka: 9–10; 30; 32; 34; 40.1-12; 92; 107; 116; 11812- Ireo Salamo manambara toky sy fiadanam-po: 3; 4; 11; 16; 23; 62; 131; 139Ireo lohateny amin’ny salamoMisy salamo miisa 116 izay mitondra lohateny. Ireny lohateny ireny dia tsy nosoratan’ilay mpamorona ny salamo fa karazana fanazavana nataon’ny Fiangonana tatỳ aoriana. Misy amin’izy ireny azo nadika ho amin’ny teny malagasy (oh. Ho an’ny mpiventy hira, Sal 6), fa ny sasany kosa, izay tsy fantatsika mazava ny dikany, dia navela ho amin’ny teny fototra ihany (oh. Almot-laben, Sal 9; Miktama, Sal 16). Ireny lohateny ireny dia misy milaza ny fomba fihira, na ny zavamaneno hampiarahina aminy (oh. hampiarahina amin’ny valiha, Sal 6). Misy izay milaza ny zava-nitranga nahatonga ny famoronana ilay salamo (oh. Sal 34; 51), na koa ny fotoana nampiasana azy (oh. Sal 92: Hohiraina amin’ny Sabata).Misy koa lohateny izay manambara fitambarana salamo maromaro izay efa nisy tany aloha ka mbola hita ho miray toerana ao anatin’ny Bokin’ny Salamo, toy ny hoe:Salamo nataon’i Davida: 51–65; 67–70Nataon’ny Koraìta: 42–49; 84–88Nataon’i Asafa: 73–83Hira fanao amin’ny fiakarana: 120–134Misy teny iray, hoe Sela, izay tsy tena fantatsika ny dikany, fa nadika hoe Fiatoana.Ny firafitry ny BokyNy Bokin’ny Salamo dia mizara ho Boky dimy. Toy izao izany:Ny Boky voalohany: 1–41Ny Boky faharoa: 42–72Ny Boky fahatelo: 73–89Ny Boky fahefatra 90–106Ny Boky fahadimy: 107–150Ny andininy farany amin’ny Sal 41, 72, 89 ary 106 dia fiderana, izay mamarana ireo boky 4 voalohany. Ny Salamo 1 dia toy ny fanokafana ny Boky manontolo, ary ny faha-150 no famaranana azy.