Ezekiela 18 - Malagasy Protestant Bible 2011

Valin’Andriamanitra araka ny asany avy ny olona

1Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:

2Nahoana no manao izao oha-teny izao ao amin’ny tanin’ny Israely ianareo:

Ny ray no mihinana voaloboka maharikivy

ka ny nifin’ny zanany no madilo?

3Raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra, dia tsy hisy hanaovanareo izany oha-teny izany ao amin’ny Israely intsony.

4Indro, Ahy ny aina rehetra; toy ny ain’ny ray, dia toy izany koa ny ain’ny zanany; samy Ahy ireny; ny olona izay manota no ho faty.

5Fa raha marina ny olona ka manao izay marina sy mahitsy,

6tsy mihinana eny an-tendrombohitra, na manandratra ny masony ho amin’ny sampin’ny taranak’Israely, na mandoto ny vadin’ny namany, na manakaiky ny vehivavy izay mararin’ny fadimbolana,

7na mampahory olona fa mamerina ny natao antoka, tsy mandroba fa manome ny haniny ho an’ny noana ary manafy lamba ny mitanjaka,

8tsy mampanjana-bola na maka tombony akory fa miaro ny tanany tsy hanao izay ratsy, ary manao fitsarana marina amin’izay miady,

9ary mandeha araka ny lalànako sy mitandrina ny fitsipiko ka manao izay marina, dia marina izy ka ho velona tokoa, hoy NY TOMPO Andriamanitra.

10Fa raha miteraka zazalahy mpanao an-keriny sy mpandatsa-dra izy ka indrisy, manao na dia ny iray ihany amin’ireo zavatra ireo aza iny,

11nefa izy tenany tsy nanao ireo zavatra ireo akory fa ilay zazalahy no mihinana eny an-tendrombohitra, na mandoto ny vadin’ny namany,

12na mampahory ny malahelo sy ny mahantra, na mandroba, na tsy mamerina ny natao antoka, na manandratra ny masony ho amin’ny sampy ka manao izay fahavetavetana,

13na mampanjana-bola, na maka tombony, moa ho velona va izy? Tsy ho velona izy; nanao ireo fahavetavetana rehetra ireo izy; ho faty tokoa izy ary ny rany dia ho aminy ihany!

14Fa raha iny kosa indray no miteraka zazalahy izay mahita ny fahotana rehetra nataon’ny rainy, nefa nony mahita izany izy dia tsy mba manao tahaka izany

15ka tsy mihinana eny an-tendrombohitra, na manandratra ny masony ho amin’ny sampin’ny taranak’Israely, na mandoto ny vadin’ny namany,

16na mampahory olona, na maka antoka, na mandroba, fa manome ny haniny ho an’ny noana ary manafy lamba ny mitanjaka,

17miaro ny tanany tsy hampahory ny mahantra, tsy mampanàna vola na maka tombony, fa manaraka ny fitsipiko sy mandeha araka ny lalànako, dia tsy ho faty noho ny heloky ny rainy izy; ho velona tokoa izy.

18Ny amin’ny rainy kosa, noho ny nanaovany an-keriny sy ny nandrobany ny rahalahiny ary ny nanaovany izay tsy mety tao amin’ny fireneny, dia indro, ho faty noho ny helony izy.

19Nefa hoy ianareo: Nahoana moa ny zanaka no tsy mba hitondra ny heloky ny rainy? Raha ny zanaka no manao izay marina sy mahitsy sy mitandrina ny didiko rehetra ka mankatò azy dia ho velona tokoa izy.

20Ny olona izay manota no ho faty. Ny zanaka dia tsy hitondra ny heloky ny rainy, ary ny ray dia tsy hitondra ny heloky ny zanany. Ny fahamarinan’ny marina dia ho aminy ihany, ary ny faharatsian’ny ratsy fanahy kosa dia ho aminy ihany.

Ny faharetana amin’ny fitondrantena marina

21Fa raha ny ratsy fanahy no miala amin’ny fahotana rehetra izay nataony ka mitandrina ny didiko rehetra ary manao izay marina sy mahitsy dia ho velona tokoa izy fa tsy ho faty.

22Ny fahadisoany rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana intsony; ho velona izy noho ny fahamarinana izay nataony.

23Moa sitrako akory va ny fahafatesan’ny ratsy fanahy, hoy NY TOMPO Andriamanitra, fa tsy ny hialany amin’ny lalany mba ho velona izy?

24Fa raha ny marina no miala amin’ny fahamarinany ka manao meloka ary manaraka ny fahavetavetana rehetra izay nataon’ny ratsy fanahy, ho velona va izy? Ny fahamarinany rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana. Noho ny fahadisoana sy ny fahotana izay nataony dia ho faty izy.

25Nefa hoy ianareo: Tsy marina ny lalan’ny Tompo. Mihainoa ange, ry taranak’Israely! Moa ny lalako va no tsy marina? Tsy ny lalanareo va no tsy marina?

26Raha ny marina no miala amin’ny fahamarinany ary manao meloka ka maty amin’izany dia maty noho ny heloka nataony ihany izy.

27Ary raha ny ratsy fanahy no miala amin’ny faharatsiana nataony ka manao izay marina sy mahitsy dia hahavonjy ny ainy izy.

28Raha mahita ny fahadisoana rehetra izay nataony izy ka miala amin’izany dia ho velona tokoa izy fa tsy ho faty.

29Nefa hoy ny taranak’Israely: Tsy marina ny lalan’ny Tompo. Ry taranak’Israely, ny lalako va no tsy marina? Tsy ny lalanareo va no tsy marina?

30Koa samy hotsaraiko araka ny lalanareo avy ianareo, ry taranak’Israely, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Mitodiha ka mibebaha amin’ny fahadisoanareo rehetra, dia tsy ho tonga fahatafintohinana mahameloka anareo intsony izany.

31Esory ho afaka aminareo ny fahadisoanareo rehetra izay nataonareo ka manaova fo vaovao sy fanahy vaovao ho anareo. Fa nahoana no ho faty ianareo, ry taranak’Israely?

32Fa tsy sitrako ny fahafatesan’izay maty, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Koa mibebaha ianareo mba ho velona!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help