Joba 9 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ny teny navalin’i Joba: Afaka hifandahatra amin’Andriamanitra va ny olona?

1Dia namaly i Joba hoe:

2Fantatro tokoa fa izany no izy;

fa aiza no hahamarina ny zanak’olombelona

eo anatrehan’Andriamanitra?

3Raha te hifandahatra Aminy izy

dia tsy mahavaly teny Azy na dia iray amin’ny arivo aza.

4Lalim-pahendrena Izy sady feno hery sy tanjaka.

Iza no nikiry nanohitra Azy ka tsy naninona?

5Mamindra tendrombohitra Izy nefa tsy mahalala izany akory ireny.

Mamadika azy amin’ny fahatezerany Izy,

6mampihorohoro ny tany ho afaka amin’ny toerany Izy

ka mihozongozona ny andriny.

7Manome teny ny masoandro Izy ka tsy miposaka iny;

manisy tombo-kase manafina ny kintana Izy.

8Izy irery ihany no mamelatra ny lanitra

sy mandia ny onjan-dranomasina;

9manao ireo kintana lehibe Izy, dia ny Bera sy ny Telonohorefy ary ny Ikotokelimiadilaona

mbamin’ireo kintana maro any atsimo.

10Manao zava-dehibe tsy takatry ny saina Izy;

eny, fahagagana tsy hita isa.

11Indro, mandalo ahy Izy nefa tsy hitako

ary mihelina Izy nefa tsy fantatro.

12Indro, mipaoka Izy, koa iza no mahasakana Azy?

Iza no hilaza Aminy hoe: Inona no ataonao?

13Andriamanitra tsy mampitony ny fahatezerany;

ny mpanampy an’i Rahaba aza dia mitanondrika eo ambaniny.

14Mainka fa izaho dia tsy mahavaly Azy

na mahafidy teny hifandaharako Aminy;

15fa na dia marina aza aho dia tsy hahavaly akory;

hifona amin’Ilay manana ady amiko no hany heriko.

16Raha mba niantso aho ka namaly ahy aza Izy

dia tsy ho nino aho fa nihaino ny feoko Izy.

17Fa manorotoro ahy amin’ny tafio-drivotra Izy

ka manamaro ny ratrako tsy amin’antony

18sady tsy avelany haka aina akory aho

fa vokisany zava-mangidy.

19Raha ny amin’ny hery, ny matanjaka, dia Izy izany!

Ary raha ny amin’ny fitsarana, iza no hampiantso ahy?

20Na dia marina aza aho dia hanameloka ahy ihany ny vavako

ary na dia tsy manan-tsiny aza aho dia hanao ahy ho meloka ihany Izy.

21Marina aho nefa ataoko tsinontsinona ny aiko;

tsy ahoako izay ho velona.

22Mitovy ihany, koa izany no nilazako hoe:

Ny marina sy ny meloka dia samy aringany avokoa.

23Raha misy loza mahafaty tampoka

dia ihomehezany ny fizahan-toetra manjo ny tsy manan-tsiny.

24Ny tany dia efa voatolotra ho eo an-tanan’ny ratsy fanahy;

manarona ny tavan’ny mpitsara Izy.

Raha tsy Izy no manao izany dia iza indray ary?

25Ny androko dia haingana noho ny iraka haingam-pandeha;

lasa ireny ka tsy nahita soa akory.

26Mihelina tahaka ny lakana zozoro izy,

tahaka ny voromahery mipaoka ny rembiny.

27Raha hoy aho hoe: Hanadino ny fitarainako aho,

hitsahatra tsy hanjonitra aho ka ho miramiran-tava,

28dia maharaiki-tahotra ahy ny fahoriako rehetra.

Fantatro fa tsy hataonao ho afa-tsiny aho.

29Tsy maintsy hatao ho meloka ihany aho!

Koa nahoana aho no hanasa-tena foana?

30Na dia mandro amin’ny orampanala aza aho

ka manadio ny tanako amin’ny ranon-davenona

31dia hanitrika ahy any am-pahitra miaraka amin’izay Ianao

ka hataon’ny fitafiako ho zava-betaveta aho.

32Fa tsy olona tahaka ahy Izy ka ho azoko valina

mba hifanatrehanay eo amin’ny fitsarana.

33Tsy misy mpanelanelana anay

ka hametraka ny tanany aminay roa tonta.

34Aoka hanaisotra ny tsorakazony amiko Izy

ary aoka tsy hampaharaiki-tahotra ahy intsony ny fampitahorana ataony!

35Dia hiteny aho ka tsy hatahotra Azy

satria ho fantatro fa tsy hatahotra foana aho!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help