Salamo 10 - Malagasy Protestant Bible 2011

lamed ל

1TOMPO ô, nahoana Ianao no mijanona eny lavitra eny?

Nahoana Ianao no miery amin’ny andro fahoriana?

2Milomay manenjika ny mahantra ny ratsy fanahy;

azon’ny fandrika nataony ihany izy ireny.

3Mirehareha ny ratsy fanahy fa nahazo izay niriny

ary mahafoy sy mamingavinga NY TOMPO ny mpierina.

4Ny ratsy fanahy dia mirehareha hoe: Tsy hanadina Izy!

Tsy misy Andriamanitra! Izany no tontalin-keviny.

5Mahomby amin’ny fotoana rehetra izy;

any amin’ny avo ka lavitra azy ny fitsaranao;

ny mpandrafy azy rehetra dia vingavingainy.

6Hoy izy anakampo: Tsy hangozohozo aho,

tsy ho azon-doza mandrakizay doria aho!

pe פ

7Feno ozona sy fitaka ary fanaovana an-keriny ny vavany;

misy fampahoriana sy fampijaliana ao ambanin’ny lelany.

8Mamitsaka manao vela-pandrika ao an-tanàna izy;

ao amin’ny takona no amonoany ny tsy manan-tsiny;

mikendry ny mahantra ny masony.

aìn ע

9Manao vela-pandrika ao amin’ny takona tahaka ny liona ao amin’ny famitsahany izy,

manao vela-pandrika hisambotra ny ampahorina izy,

fandrihany amin’ny harato no fisambony ny ory.

10Torotoro sy mitanondrika ny mahantra

fa lavon’ny herin’ny ratsy fanahy.

11Dia hoy izy anakampo: Efa nanadino Andriamanitra!

Nanafina ny tavany Izy ka tsy hahita mandrakizay!

kof ק

12Mitsangàna, TOMPO ô!

Atsangano ny tananao, Andriamanitra ô!

Aza manadino ny ory!

13Nahoana no mamingavinga an’Andriamanitra ny ratsy fanahy?

Nahoana no miteny anakampo izy hoe: Tsy hanadina akory Ianao?

res ר

14Hitanao ny fahoriana sy ny alahelo;

jerenao izany mba hovalian’ny tananao;

Ianao no fiononan’ny mahantra;

Ianao no mpamonjy ny kamboty.

sin שׁ

15Torotoroy ny sandrin’ny ratsy fanahy

ary sazio noho ny helony ny mpanao ratsy mba tsy ho hitanao intsony.

16NY TOMPO no Mpanjaka mandrakizay doria;

voafongotra tsy ho amin’ny taniny intsony ny Jentilisa.

tao ת

17Efa nohenoinao, TOMPO ô, ny fanirian’ny mahantra;

mampiorina ny fony Ianao sady mampihaino ny sofinao

18mba hanomezanao rariny ny kamboty sy ny voan’ny tsindry hazo lena,

koa tsy hisy olombelona hampitahotra intsony etỳ an-tany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help