Joba 30 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ny teny farany navalin’i Joba (tohiny): Ankehitriny, inona sisa?

1Fa ankehitriny kosa dia mihomehy ahy na dia izay mbola zandriko aza,

dia ny zanak’ireo izay nolaviko tsy ho isan’ny amboa miandry ny ondriko akory.

2Koa hataoko inona moa ny herin-tsandrin’ireo?

Efa very ny fahatanjahany.

3Kaozatra noho ny tsy fisian-kanina sy ny mosary izy ireo;

homankomana foana any an-tany karankaina

ao amin’ny haizin’ny loza sy ny faharinganana.

4Mitsongo anana dia eny amin’ny kirihitrala ireny

ary ny fototry ny anjavidy no sakafony.

5Roahina tsy ho eo amin’ny olona izy

sady akoraina toy ny mpangalatra,

6koa eny an-davaka amin’ny moron’ny lohasahan-driaka no itoerany,

dia any an-dava-tany sy any an-dava-bato.

7Minananana eny amin’ny kirihitrala izy

ary mitangorona eny ambanin’ny amiana.

8Olom-poana izy ireny sady olona tsy manana anarana akory

ka roahina tsy ho eo amin’ny tany.

9Ankehitriny anefa dia ataony an-kira aho.

Eny, ataony ambentinteniny aho.

10Ataony toy ny zava-betaveta aho ka halaviriny

ary tsy misalasala ny handrora ny tavako izy.

11Koa satria noketrahin’Andriamanitra ny kofehin’ny tsipìkako ka nampietreny aho

dia tsy nisy fetrany intsony ny famelezan’ireo ahy.

12Mitangorona eo ankavanako izy ireo

ka manosika ny tongotro hibolisatra

ary manandratra tovon-tany hampidirany loza amiko;

13mandrava ny lalako izy

ary mitady lalana hanapotehana ahy

na dia tsy misy manampy azy aza;

14toy ny fiditra eo amin’ny banga lehibe no fiaviny

ka avy ao amin’ny voarava izy no miriotra.

15Nitodika hamely ahy ny fampitahorana;

nopaohin’ny rivotra ny voninahitro

ka levona tahaka ny rahona ny famonjena ahy.

16Ary ankehitriny, miraraka ny aiko ato anatiko,

azon’ny andro fahoriana aho.

17Amin’ny alina dia samatsamahiny hiala amiko ny taolako

ary tsy mitsahatra ireo manotahota ahy ireo.

18Noho ny hery amelezany ahy dia simba ny akanjoko,

manendaka ahy amin’ny vozon-dobaka Izy.

19Nanipy ahy teo amin’ny fotaka Izy

ka tahaka ny vovoka sy ny lavenona aho.

20Mitaraina Aminao aho nefa tsy mihaino ahy Ianao;

mijoro eo aho nefa jerenao foana.

21Tonga lozabe amiko Ianao;

ny herin’ny tananao no andrafianao ahy.

22Aingainao ho eny amin’ny rivotra aho ka ampitaingeninao azy

ary levoninao ao anatin’ny tafio-drivotra mifofofofo aho.

23Fantatro fa hampodinao any amin’ny fahafatesana aho,

dia any amin’ny trano ifamotoanan’ny olombelona rehetra.

24Kanefa tsy manainga ny tanany va ny olona raha ianjeran’ny rava?

Ary tsy mitaraina va izy raha tratry ny loza?

25Tsy nitomany ny ory va aho?

Tsy nangorakoraka ny mahantra va ny fanahiko?

26Nanantena fahasambarana aho, kanjo ny ratsy no tonga;

niandry ny mazava aho, kanjo ny maizina no tonga.

27Tsy mitsahatra mandevilevy ny tsinaiko.

Nitsena ahy ny andro fahoriana.

28Mitsaitsaika mitafy lamba fisaonana aho sady tsy mahita masoandro;

mitsangana eo am-pivorian’ny olona aho ka mitaraina.

29Tonga rahalahin’ny amboadia aho

ary naman’ny aotirisy.

30Mivalomainty ny hoditro sady miendakendaka

ary karankaina noho ny hafanana ny taolako.

31Nanjary fisaonana ny lokangako

ary feon’ny mitomany ny sodiko.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help