Isaia 6 - Malagasy Protestant Bible 2011

Tonga mpaminanin’NY TOMPO Isaia

1Tamin’ny taona nahafatesan’i Ozia mpanjaka no nahitako ny Tompo nipetraka teo ambonin’ny sezafiandrianana avo sady manerinerina, ary ny ebaneban’akanjony nahafeno ny tempoly.

2Nisy serafima nitsangana teo amboniny, samy nanana elatra enina avy: Ny roa dia nanaronany ny tavany, ny roa dia nanaronany ny tongony ary ny roa dia nanidinany.

3Ary nanandratra ny feony ireo ka nifamaly hoe:

Masina, masina, masina Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao!

Henika ny voninahiny ny tany rehetra!

4Dia nihorohoro ny fanambanin’ny tokonana noho ny feon’ilay nanandratra ny feony ary feno setroka ny Trano.

5Dia hoy aho:

Lozako! Maty aho,

fa lehilahy maloto molotra

sady ato amin’ny firenena maloto molotra no onenako,

nefa ny Mpanjaka, dia Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no hitan’ny masoko.

6Dia nanidina nanatona ahy ny serafima iray, nitondra vainafo teny an-tanany, izay nalainy tamin’ny tandra avy teo amin’ny alitara.

7Ary natehiny ny vavako izany ka hoy izy:

Indro, efa nitehika tamin’ny molotrao io:

Afaka ny helokao

ary voavela ny fahotanao.

8Ary nandre ny feon’ny Tompo aho hoe: Iza no hirahiko? Iza no handeha ho irakay? Dia hoy aho: Inty aho, iraho aho!

9Ary hoy Izy:

Mandehana ka lazao amin’ity firenena ity hoe:

Handre mandrakariva ihany ianareo

nefa tsy hahalala!

Hijery mandrakariva ihany ianareo

nefa tsy hahafantatra!

10Ataovy donto ny fon’ity firenena ity,

ataovy lalodalovana ny sofiny,

ary ataovy mikimpy ny masony,

fandrao hahita ny masony,

sy handre ny sofiny,

ary hahalala ny fony,

dia hibebaka izy ka ho sitrana.

11Ary hoy aho: Tompo ô, mandra-pahoviana anefa? Dia hoy Izy:

Mandra-pahafoanan’ny tanàna ka tsy hisy mponina,

ny trano tsy hisy olona,

ary ny tany ho lao tanteraka.

12Ary NY TOMPO hampandeha lavitra ny olona

ka hihamaro ny tany lao.

13Ary na misy ampahafolony aza sisa

dia mbola hosimbana ihany koa izany;

kanefa tahaka ny hazo terebinta sy ny hazo oaka

izay mbola misy fotony ihany na dia voakapa aza,

toy izany no mbola hisiana taranaka masina ho fotony.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help