Salamo 55 - Malagasy Protestant Bible 2011

Fitarainana nataon’izay navadiky ny sakaizany nahatoky azyHo an’ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ny valiha. Maskila nataon’i Davida.

1Mihainoa ny vavaka ataoko, Andriamanitra ô,

ary aza miery amin’ny fitarainako!

2Henoy aho ka valio!

Miriorio ny eritreritro ka mitoloko aho

3noho ny feon’ny fahavalo sy ny fampahorian’ny ratsy fanahy,

fa manjera loza amiko ireny

ary amin’ny fahatezerana no ankahalany ahy.

4Mangorohoro ato anatiko ny foko

ary mamely ahy ny tahotra ny fahafatesana.

5Tahotra sy hovitra no mahazo ahy

ary manafotra ahy ny horohoro

6ka hoy aho: Enga anie ka hanana elatra tahaka ny voromailala aho!

Dia hanidina aho ka hahita izay hitoerako.

7Eny, handositra lavitra aho

ka hitoetra any an-tany efitra. Fiatoana.

8Handeha haingana aho hamonjy fialofana

mba tsy ho azon’ny tafio-drivotra sy ny ranonoram-baratra.

9Aringano izy ary saratsaraho ny fiteniny, Tompo ô!

Fa mahita loza sy adilahy ao an-tanàna aho.

10Hodidininy andro aman’alina eny ambonin’ny mandany io;

heloka sy fampahoriana no ao aminy;

11faharavana no ao anatiny

ary ny fitaka sy ny fanangolena dia tsy mba miala amin’ny lalambeny.

12Fa tsy fahavalo no nanaratsy ahy,

fa raha izany dia ho niaritra ihany aho;

tsy olona nankahala ahy no nanandra-tena namely ahy,

fa raha izany dia ho niery azy aho.

13Fa ianao izay lehilahy mitovy saranga amiko,

namako sy tena sakaizako,

14dia isika izay nifankamamy resaka

ka niara-nandeha tamin’ny maro ho ao amin’ny tranon’Andriamanitra!

15Aoka hanampoka azy ny fahafatesana

ary aoka hidina velona any amin’ny fitoeran’ny maty izy!

Fa ratsy no ao amin’ny fonenany, ao afovoany ao.

16Raha izaho dia Andriamanitra no antsoiko

ary NY TOMPO no hamonjy ahy.

17Hariva sy maraina ary mitataovovonana no itarainako sy itolokoako

dia hihaino ny feoko Izy

18ka hanavotra ahy ho amin’ny fiadanana hahafahako amin’ny adin’ireny amiko,

fa maro no miady amiko.

19Hihaino Andriamanitra izay mipetraka amin’ny sezafiandrianany hatrizay hatrizay. Fiatoana.

Hamaly ireo olona tsy miova toetra Izy,

dia izay tsy matahotra an’Andriamanitra.

20Nanatsotra ny tanany hamely izay nihavana taminy izy;

namadika ny fanekeny izy;

21malambo noho ny rononomandry ny vavany,

kanjo ady no ao am-pony;

malefaka noho ny diloilo ny teniny,

kanjo sabatra voatsoaka ireny.

22Apetraho amin’NY TOMPO ny entanao

ary Izy no hiantoka anao;

tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.

23Fa Ianao, Andriamanitra ô, no hampidina ireo any an-davaka lalina;

ny mpandatsa-dra sy mpamitaka dia tsy hahatratra ny antsasaky ny androny;

fa izaho kosa dia hatoky Anao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help