Salamo 92 - Malagasy Protestant Bible 2011

Tsara ny midera NY TOMPOSalamo. Tononkira fanao amin’ny andro Sabata.

1Tsara ny midera NY TOMPO

sy ny hankalaza ny anaranao, ry Avo Indrindra ô,

2ary hanambara ny famindramponao nony maraina

sy ny fahamarinanao nony alina,

3amin’ny valiha tory folo

sy amin’ny feon-dokanga.

4Ampifalinao amin’ny nataonao aho, TOMPO ô;

ny asan’ny tananao no hihobiako.

5TOMPO ô, akory ny halehiben’ny asanao!

Manao ahoana ny halalin’ny fisainanao!

6Ny ketrina dia tsy mahafantatra izany

ary ny adala koa dia tsy mba mahalala.

7Raha mitsiry tahaka ny ahitra ny ratsy fanahy

ary mamony ny mpanao ratsy rehetra

dia izany ihany no ho fandringanana azy mandrakizay.

8Nefa Ianao, TOMPO ô, any amin’ny avo,

dia maharitra mandrakizay!

9Fa indreo ny fahavalonao, TOMPO ô,

indreo, ringana ny fahavalonao;

mihahaka ny mpanao ratsy rehetra.

10Fa ny tandroko kosa dia asandratrao ho tahaka ny an’ny ombimanga;

mihosotra diloilo vaovao aho.

11Faly ny masoko mahita ny amin’ny fahavaloko

ary finaritra ny sofiko

mandre ny amin’ny ratsy fanahy izay mitsangana hamely ahy.

12Ny marina dia hamololona tahaka ny palma,

hisandrahaka tahaka ny sedera any Libanona izy.

13Nambolena tao amin’ny tranon’NY TOMPO izy

ka maniry eo an-kianjan’Andriamanitsika;

14mbola manorobona ihany izy na dia efa antitra aza;

dofodofotra sy maitso izy

15mba hanambara fa mahitsy NY TOMPO,

Vatolampiko izay tsy misy tsiny.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help