Jeremia 13 - Malagasy Protestant Bible 2011

I Jeremia sy ilay fehikibo lamba rongony

1Izao no nolazain’NY TOMPO tamiko: Andeha mividy fehikibo lamba rongony ho anao ka afehezo amin’ny kibonao fa aza alona ao anaty rano.

2Dia nividy fehikibo aho araka ny tenin’NY TOMPO ka namehezako ny kiboko.

3Ary tonga tamiko fanindroany ny tenin’NY TOMPO hoe:

4Ento ny fehikibo izay novidinao, dia ilay amehezanao ny kibonao, ka mitsangàna, mankanesa any ony amin’ny Eofrata ary afeno ao an-tsefatsefaky ny harambato izany.

5Dia nandeha aho ary nafeniko tao amoron’ny ony Eofrata izany, araka ny nandidian’NY TOMPO ahy.

6Nony afaka andro maro dia hoy NY TOMPO tamiko: Mitsangàna ka mankanesa any amin’ny ony Eofrata ary alao any ny fehikibo, dia ilay nasaiko nafeninao tany.

7Dia nankany amin’ny ony Eofrata aho ka nikaroka sy naka ilay fehikibo tao amin’ny toerana nanafenako azy; kanjo indro, simba ilay fehikibo ka tsy misy ilàna azy intsony.

8Dia tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:

9Izao no lazain’NY TOMPO: Tahaka izany no hanimbako ny avonavon’ny Joda sy ny haben’ny avonavon’ny Jerosalema.

10Ity firenena ratsy ity izay tsy mety mihaino ny teniko, fa mandeha amin’ny ditran’ny fony ka manaraka andriamanitra hafa mba hotompoiny sy hiankohofany, dia ho tahaka ity fehikibo ity ka tsy azo atao na inona na inona intsony.

11Fa toy ny firaikitry ny fehikibo amin’ny andilan’ny olona no nampiraiketako ny taranak’Israely sy ny taranak’i Joda rehetra tamiko, hoy NY TOMPO, mba ho oloko, ho laza sy fiderana ary voninahitra ho Ahy ireny, kanjo tsy nety nihaino izy.

Ny divain’ny fahatezeran’Andriamanitra

12Ary lazao aminy izao teny izao: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Ny tavoara rehetra dia hofenoina divay; ary raha miteny aminao izy hoe: Moa tsy efa fantatray ihany va fa hofenoina divay ny tavoara rehetra?

13Dia holazainao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Indro, hataoko leo ny mponina rehetra amin’ity tany ity, dia ny mpanjaka izay mipetraka amin’ny sezafiandrianan’i Davida, ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny mponina rehetra any Jerosalema.

14Ary hampifamotehiko izy, dia ny ray mbamin’ny zanany, hoy NY TOMPO; tsy hiantra Aho, na hitsitsy, na hamindra fo tsy handringana azy.

Mihainoa dieny mbola tsy tratra aoriana

15Mandrenesa ka mihainoa,

aza miavonavona;

fa NY TOMPO no miteny.

16Manomeza voninahitra NY TOMPO Andriamanitrareo,

dieny tsy mbola mahatonga ny haizina Izy,

ary dieny tsy mbola tafintohina amin’ny tendrombohitra maizimaizina ny tongotrareo;

fa amin’izany, raha miandry ny mazava ianareo

dia hataony tonga aloky ny fahafatesana izany

ka hampodiny ho haizim-pito.

17Fa raha tsy hihaino izany ianareo

dia hitomany any amin’ny mangingina aho

satria misy fiavonavonana;

eny, ny masoko dia hamarin-dranomaso hijononoka be

satria voababo ny ondrin’NY TOMPO.

Vahoaka mpivadika afa-baraka sady miely patrana

18Lazao amin’ny andriamanjaka sy ny reniny hoe:

Mitombena amin’ny tany

fa ho afaka ny firavaka eo an-dohanareo,

dia ny satroboninahitrareo tsara tarehy.

19Voarindrina ny tanàna any Negeva

ka tsy misy mamoha;

lasan-ko babo i Joda manontolo,

eny, lasan-ko babo avokoa izy rehetra.

20Atopazy ny masonareo ka tazano

izay avy any avaratra;

aiza ny andian’ondry izay nomena anao,

dia ny ondrinao tsara tarehy?

21Ahoana re no holazainao raha tendreny hanapaka anao ireny sakaizanao ireny,

nefa ianao izao ihany no nampianatra azy

handrafy anao?

Tsy hahazo anao va ny fanaintainana

toy ny an’ny vehivavy miteraka?

22Ary raha miteny anakampo ianao hoe:

Ahoana no nahatonga izao tamiko?

Noho ny haben’ny helokao

no nampiaingana ny morontongotr’akanjonao

sy nandratrana ny voditongotrao.

23Moa mahova ny hodiny va ny Kosita?

Ary mahova ny sorany va ny leoparda?

Toy izany koa, moa mahay manao ny tsara va ianareo izay efa zatra nanao izay ratsy?

24Koa dia haeliko

toy ny vodivary indaosin’ny rivotra avy any an-tany efitra izy.

25Izany no anjara azonao tamin’ny antsapaka, dia anjara voarefy ho anao, avy Amiko

hoy NY TOMPO,

satria nanadino Ahy ianao

ka nitoky tamin’ny lainga.

26Ary Izaho kosa dia hampiainga ny morontongotr’akanjonao ho eny amin’ny tavanao

mba hisehoan’ny henatrao.

27Ny fijangajanganao sy ny fanenonao,

ny fahavetavetan’ny fijejojejoanao

any amin’ny havoana any an-tsaha,

eny, samy efa hitako avokoa ireo fahavetavetanao ireo.

Lozanao, ry Jerosalema!

Mandra-pahoviana ianao

no mbola tsy hanadio ny tenanao?

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help