Isaia 29 - Malagasy Protestant Bible 2011

Natao fahirano i Jerosalema ary nafahana avy eo

1Lozan’i Ariela, dia i Ariela,

tanàna nitobian’i Davida!

Ampio taona ny taona,

aoka ho tafatsingeringerina ny andro firavoravoana,

2dia hampahory an’i Ariela Aho;

hisy fisentoana sy fitarainana ao aminy;

ary ho tonga fatana alitara tokoa izy Amiko.

3Hitoby manodidina anao Aho

ka hasiako miaramila hanao fahirano anao

ary hanangana manda aho mba hamelezana anao.

4Dia haetry ianao

ka hiteny avy ao amin’ny tany

ary avy ao amin’ny vovoka no hibitsibitsihanao;

eny, hivoaka avy amin’ny tany tahaka ny an’ny mpiantso ny fanahin’ny maty ny feonao

ary avy ao amin’ny vovoka no hibitsibitsihanao ny teninao.

5Kanefa ho tonga tahaka ny vovoka madinika ny fahavalonao betsaka,

ary ho tahaka ny akofa entin-drivotra ny mpampihorohoro maro;

eny, ho avy tampoka dia tampoka izany.

6Avy amin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ny famaliana,

amin’ny kotrokorana sy horohoron-tany ary feo mahery,

tadio sy tafio-drivotra ary lelafo mandevona.

7Ho tahaka ny fahitana amin’ny nofy amin’ny alina

ireo firenen-drehetra

izay mivory hamely an’i Ariela,

dia izay rehetra mivory hamely

azy sy ny mandany

ka hampahory azy.

8Dia ho tahaka ny olona noana izay manonofy mihinana,

kanjo nony mahatsiaro izy dia foana ihany ny kibony;

na koa tahaka ny olona mangetaheta izay manonofy misotro,

kanjo nony mahatsiaro izy dia indro, ana sady mbola mangetaheta ihany;

ho tahaka izany ny firenena rehetra

izay mivory hamely ny tendrombohitra Ziona.

Vahoaka tsy mahataka-javatra

9Mijanòna ianareo ka mitalanjòna!

Tampeno ny masonareo, ary aoka ianareo ho jamba!

Mamo ireo nefa tsy tamin’ny divay;

mivembena izy nefa tsy noho ny toaka.

10Fa NY TOMPO efa nampidina fanahy mahasondrian-tory

ao aminareo,

efa nakimpiny ny masonareo mpaminany

ary efa nosaronany ny lohanareo mpahita.

11Aminareo ny fahitana ny amin’izany rehetra izany dia tahaka ny teny amin’ny taratasy voaisy tombo-kase izay atolotra olona mahavaky teny ka ilazana hoe: Miangavy anao aho, vakio ity! Hoy anefa izy: Tsy azoko vakina ity satria voaisy tombo-kase.

12Fa raha atolotra izay tsy mahavaky teny kosa izany ka atao hoe: Miangavy anao aho, vakio ity! Dia hamaly izy hoe: Tsy mahay mamaky teny aho.

13Ary hoy ny Tompo: Satria manatona Ahy amin’ny vavany ity firenena ity

sy mankalaza Ahy amin’ny molony,

nefa ampanalaviriny Ahy kosa ny fony,

ny fahatahorany Ahy

dia didin’olombelona ampianarina azy ihany.

14Noho izany dia mbola hanao zava-mahagaga amin’ity firenena ity indray Aho,

dia zava-mahagaga sy mahatalanjona;

ho foana ny fahendren’ny olon-kendriny,

ary tsy ho hita ny fahalalan’ny manampahaizana eo aminy.

15Lozan’izay miafina lalina mba tsy ho hitan’NY TOMPO

ka manafina ny fikasany!

Ao amin’ny maizina ny asany

ka hoy izy: Iza no mahita antsika, ary iza no mahalala antsika?

16Endre izato hadalanareo!

Moa ny mpanefy tanimanga va no hoheverina ho tahaka ny tanimanga,

ny novolavolaina va hilaza izay namolavola azy hoe:

Tsy namolavola ahy izy?

Na ny zavatra voaforona va hilaza izay namorona azy hoe:

Tsy manam-pahalalana izy?

Ny fiovan’ny toe-draharaha

17Tsy vetivety foana va

dia hovana ho saha mahavokatra i Libanona,

ary ny saha mahavokatra dia hoheverina ho ala?

18Amin’izany andro izany dia ho ren’ny marenina ny lazain’ny boky;

ary na dia ao amin’ny haizina sy ny haizim-pito aza

dia hahita ihany ny mason’ny jamba.

19Hitombo hafaliana amin’NY TOMPO ny ory;

ary ny mahantra ao amin’ny olona

dia hiravoravo amin’ny Iray Masin’ny Israely.

20Fa tapitra ny mpampihorohoro,

tsy ao intsony ny mpaniratsira;

ary fongotra izay rehetra tsy misaina afa-tsy ny hanisy ratsy,

21dia ireo izay manameloka olona amin’ny teny,

ary mamandrika izay mananatra eo am-bavahady

sady mamadika tsy amin’antony ny marina.

22Noho izany dia izao no lazain’NY TOMPO

izay nanavotra an’i Abrahama,

izao no lazainy amin’ny taranak’i Jakoba:

Tsy hitsanga-menatra intsony i Jakoba

ary tsy hivaloarika intsony ny tavany.

23Fa rehefa hitan’ny zanany

ny asan’ny tanako eo anivon’izy ireo

dia hanamasina ny anarako izy;

eny, hanamasina ny Iray Masin’i Jakoba izy

ary hangovitra eo anatrehan’Andriamanitry ny Israely;

24ny fanahy diso lalana dia mbola hahazo fahalalana,

ary izay mimonomonona dia mbola hahazo lesona hampahendry azy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help