Ezekiela 27 - Malagasy Protestant Bible 2011

Fitomaniana noho ny naharava an’i Tiro

1Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:

2Ianao, ry zanak’olona, manaova hira fisaonana ny amin’i Tiro

3ka teneno aminy hoe: E, ry ilay monina amin’ny vava-ranomasina, mpivaro-mandeha ho an’ny firenena, ho any amin’ny nosy maro samihafa: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra:

E, ry Tiro, ianao no efa niteny hoe:

Izaho dia tena tsara tarehy!

4Ao afovoan’ny ranomasina ny taninao;

izay nandrafitra anao dia nanao ny hatsaran-tarehinao ho tonga lafatra.

5Hazo kipreso avy any Senira no nanaovany

ny lampihazonao;

sedera avy any Libanona

no nalainy hatao andrin-tsambonao;

6oaka avy any Basana no nanaovany ny fivoinao;

hazo bokso avy any amin’ny moron-dranomasin’i Kitima

no nataony fipetrahana ho an’ny mpivoinao sady nasiany gorodona ivoara.

7Lamba rongony madinika samihafa soratra avy any Ejipta

no nataonao lay mba ho faneva;

lamba manga sy volomparasy avy any amin’ny moron-dranomasin’i Elisaha

no eloelonao.

8Ny mponina any Sidona sy Arvada

no mpivoinao;

ny olon-kendrinao tao aminao, ry Tiro,

dia ireo mpitondra sambonao.

9Ny zokiolon’i Gebala sy izay hendry tany

no mpanentsin-tsambonao tao aminao;

ny sambo rehetra teny amin’ny ranomasina mbamin’ny tantsambony dia tonga tao aminao

hanakalo ny entam-barotrao.

10Ny avy any Persia sy Loda ary Pota

dia isan’ny miaramila mpiadinao;

nanantona ampinga sy fiarovan-doha teny aminao ireo

ka nahatsara tarehy anao.

11Ny terak’i Arvada sy ny miaramilanao no teny ambonin’ny mandanao manodidina, ary lehilahy avy any Gamada no teny amin’ny tilikambo fiambenanao; ny ampingany dia nahantony teny amin’ny mandanao manodidina; ireny no nahatonga ny hatsaran-tarehinao ho tonga lafatra.

I Tiro, renivohitry ny varotra

12I Tarsisy dia nifampivarotra taminao noho ny haben’ny harena samihafa tao aminao. Volafotsy, vy, firapotsy ary firaka no noentiny natakalo ny entanao.

13I Javana sy i Tobala ary i Maseka dia nifampivarotra taminao, koa olona sy fanaka varahina no natakalony ny varotrao.

14Ny terak’i Togarma no nitondra soavaly sy soavaly fitaingina ary ampondra natakalo ny entanao.

15Ny terak’i Dedana dia nifampivarotra taminao; ny varotra avy amin’ny nosy marobe dia nandalo teto aminao ka vangy ivoara sy hazomainty no natakalo ny entanao.

16I Arama dia nifampivarotra taminao noho ny habetsahan’ny taozavatrao ka karbonkolo, lamba volomparasy, tenona samihafa soratra, rongony fotsy madinika, voahangy ary robisy no noentiny natakalo ny entanao.

17I Joda sy ny tanin’ny Israely dia nifampivarotra taminao ka varimbazaha avy tany Minita, mofomamy, tantely, diloilo ary balisama no natakalony ny varotrao.

18I Damaskosy dia nifampivarotra taminao noho ny habetsahan’ny taozavatrao, ny haben’ny harenanao rehetra, ka nitondra divay avy any Helbona sy volon’ondry fotsy izy.

19I Vedana koa sy i Javana dia nitondra vy voatefy avy any Ozala, kasia ary veromanitra ho takalon’ny varotrao.

20I Dedana dia nifampivarotra taminao, nitondra lamba fanao lamban-tsoavaly.

21I Arabia sy ireo andriandahin’i Kedara rehetra dia nifampivarotra taminao ka zanak’ondry sy ondrilahy ary osilahy no noentiny natao varotra tao aminao.

22Ny mpivaro-mandeha avy any Sheba sy Rama dia nifampivarotra taminao ka zavamanitra tsara indrindra sy vatosoa samihafa karazana ary volamena no noentiny natakalo ny entanao.

23I Harana sy i Kane ary i Edena sy ny mpivaro-mandeha avy any Sheba sy Asiria ary Kilmada no nifampivarotra taminao.

24Ireo no mpivaro-mandeha nifampivarotra taminao nitondra ny fitafiana marevaka rehetra: Akanjobe fanao ivelany manga sy samihafa soratra, tady voarandrana mafy, fitafiana soa, izany no ao amin’ny tsenanao.

25Ny sambon’i Tarsisy no mpitondra ny entanao.

Tohin’ny fitomaniana ny amin’i Tiro

Tao amin’ny fahafenoana sy voninahitra be ianao

tany afovoan’ny ranomasina.

26Noentin’ny mpivoinao teny amin’ny ranobe ianao,

dia nahavaky anao tao amin’ny ranomasina ny rivotra avy any atsinanana.

27Ny harenanao, ny entam-barotrao, ny entana notaterinao, ny tantsambonao, ny mpitondra sambonao, ny mpanentsin-tsambonao, ny mpividy ny entanao ary ny miaramilanao rehetra izay tao aminao mbamin’ny olona betsaka tafangona tao aminao dia nilentika tao amin’ny ranomasina tamin’ny andro nandravana anao.

28Noho ny fidradradradran’ny mpitondra sambonao

dia mihorohoro ny tany manodidina;

29samy midina miala amin’ny sambony ny mpivoy rehetra,

ny tantsambo ary ny mpitondra sambo rehetra eny an-dranomasina

ka mijanona eny an-tanety;

30manandratra ny feony noho ny nanjo anao izy

ka midradradradra mafy

sady manopy vovoka hiraraka amin’ny lohany

ary mihosinkosin-davenona;

31nosolaina avokoa izy noho ny aminao

sy misikina lamba fisaonana,

mitomany anao amin’ny fangidiam-panahy

sy fisaonana mafy.

32Ary raha midradradradra izy dia manao hira fisaonana ny aminao

ka mitomany anao hoe:

Iza no tahaka an’i Tiro,

dia tahaka ilay mangina ao ampovoan’ny ranomasina?

33Raha nivoaka avy amin’ny ranomasina ny entam-barotrao dia nahatretrika firenena maro ianao; tamin’ny haben’ny harenanao sy ny entana notaterinao dia nampanankarena ny mpanjakan’ny tany ianao.

34Tamin’ny andro nandravan’ny ranomasina anao

ho any amin’ny rano lalina

dia niara-nilentika taminao ny entana notaterinao

sy ny olona tafangona tao aminao.

35Talanjona ny mponina rehetra amin’ny moron-dranomasina

noho ny aminao,

ary raiki-tahotra ny mpanjakany

ka mivalomainty.

36Misiotsioka ny mpivaro-mandeha amin’ny firenena

noho ny aminao;

tonga zava-mahatahotra ianao

ary tsy hisy intsony mandrakizay!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help