1Nirehitra tamin’ny Israely indray ny fahatezeran’NY TOMPO; dia nanome saina an’i Davida Izy mba hanao izay hahatonga loza amin’ny vahoakany hoe: Mandehana, isao ny Israely sy ny Joda.
2Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Joaba, komandin’ny miaramila, izay teo aminy: Mandehana mitety ny fokon’Israely rehetra hatrany Dana ka hatrany Bery-Sheba, ary alaminonareo ny vahoaka mba ho fantatro ny isany.
3Fa hoy i Joaba tamin’ny mpanjaka: NY TOMPO Andriamanitrao anie hampitombo ny vahoaka ho injato toy izao, na firy na firy izy, ka ho hitan’ny mason’ny mpanjaka tompoko izany; fa inona no antony itiavan’ny mpanjaka tompoko hanao izany zavatra izany?
4Nefa tsy azon’i Joaba sy ny komandin’ny miaramila nolavina ny tenin’ny mpanjaka. Dia niala teo anatrehan’ny mpanjaka i Joaba sy ny komandin’ny miaramila mba handamina ny lehilahin’ny Israely.
5Ary nita an’i Jordana izy ireo ka nitoby tao Aroera eo ankavanan’ilay tanàna afovoan’ny lohasahan-driakan’i Gada ary nankany Jazera.
6Tonga tany Gileada, tany amin’ny tanin’i Tatima-Hodsy izy, ary tonga tany Dana-Jana ka nanodidina hatrany Sidona,
7ary tonga tao Tiro, tanàna mimanda, sy tany amin’ny tanànan’ny Hivita sy ny Kananita rehetra; dia nankany Negeva any Joda hatrany Bery-Sheba izy.
8Nony efa nitety ny tany rehetra izy dia tonga tany Jerosalema, rehefa afaka sivy volana sy roapolo andro.
9Dia natolotr’i Joaba ny mpanjaka ny isan’ny vahoaka voalamina ka nisy valo hetsy ny lehilahy mahery, mpanatsoaka sabatra tamin’ny Israely, ary dimy hetsy ny lehilahy tamin’ny Joda.
Ny namalian’Andriamanitra ny fahadisoan’i Davida 1Tan 21.7-1710Namely azy ny eritreritr’i Davida rehefa voaisany ny olona. Koa hoy i Davida tamin’NY TOMPO: Efa nanota be aho tamin’izao nataoko izao; koa ankehitriny, mifona aminao aho, TOMPO ô, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao fahadalana lehibe aho.
11Nony nifoha maraina i Davida dia tonga tamin’i Gada mpaminany, mpahitan’i Davida, ny tenin’NY TOMPO hoe:
12Mandehana ka lazao amin’i Davida hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Zavatra telo no apetrako eto anoloanao, koa fidio izay iray hataoko aminao.
13Dia nankany amin’i Davida i Gada ka nanambara izany taminy ary niteny hoe: Mosary fito taona va no tianao ho tonga aminao eto amin’ny taninao? Sa handositra mandritra ny telo volana eo anoloan’ny fahavalonao ianao, satria henjehiny? Sa areti-mandringana mandritra ny hateloana eto amin’ny taninao? Koa saino sy hevero izay valiny hoentiko miverina any amin’Izay naniraka ahy.
14Dia hoy i Davida tamin’i Gada: Indrisy! Tery loatra aho! Aleontsika ho azon’ny tanan’NY TOMPO, satria lehibe ny famindrampony, toy izay ho azon’izay tanan’olona.
15Dia nasian’NY TOMPO areti-mandringana ny Israely nony maraina ka hatramin’ilay fotoana voalaza; ary nahafatesana fito alina ny olona hatrany Dana ka hatrany Bery-Sheba.
16Ary nanatsotra ny tanany tamin’i Jerosalema Ilay Anjely handringana azy; fa nanenina NY TOMPO ny amin’ny loza ka niteny tamin’Ilay Anjely izay nandringana ny olona hoe: Aoka izay! Atsaharo ny tananao ankehitriny. Ary Ilay Anjelin’NY TOMPO dia teo amin’ny famoloan’i Araona jebosita.
17Nony hitan’i Davida Ilay Anjely namely ny olona dia niteny tamin’NY TOMPO izy hoe: Indro, izaho no nanota, ary izaho no nanao ratsy; fa ireo ondry ireo kosa, inona moa no mba nataony? Koa mifona aminao re aho, aoka hamely ahy sy ny ankohonan’ny raiko ny tananao!
Manorina alitara ho an’NY TOMPO i Davida 1Tan 21.18-2718Nankany amin’i Davida i Gada tamin’iny andro iny ka niteny taminy hoe: Miakara ka manangàna alitara ho an’NY TOMPO ao amin’ny famoloan’i Araona jebosita.
19Dia niakatra i Davida, araka ny tenin’i Gada, araka izay nandidian’NY TOMPO.
20Nitazana i Araona ka nahita ny mpanjaka sy ny mpanompony manatona azy; dia nidina izy ka niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’ny mpanjaka.
21Ary hoy i Araona: Inona no antony ahatongavan’ny mpanjaka tompoko atỳ amin’ny mpanompony? Dia hoy i Davida: Hividy ny famoloana aminao mba hanorenako alitara ho an’NY TOMPO mba hitsaharan’ny areti-mandringana tsy hamely ny olona intsony.
22Fa hoy i Araona tamin’i Davida: Aoka ny mpanjaka tompoko haka izay sitrany ka hanolotra izany ho fanatitra. Indreo ny omby ho fanatitra dorana manontolo ary ny fivelezam-bary sy ny hazo amin’ny zioga hatao kitay.
23Izany rehetra izany, ry mpanjaka dia omen’i Araona ny mpanjaka. Hoy ihany i Araona tamin’ny mpanjaka: NY TOMPO Andriamanitrao anie hankasitraka anao.
24Hoy ny mpanjaka tamin’i Araona: Tsia, fa tsy maintsy hovidiko aminao araka izay tokony ho vidiny ireo, satria tsy hanolotra fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO Andriamanitro amin’izay azoko maimaimpoana aho. Dia novidin’i Davida volafotsy sekela dimampolo ny famoloana sy ny omby.
25Ary nanorina alitara ho an’NY TOMPO teo i Davida ka nanolotra fanatitra dorana manontolo sy fanati-pihavanana. Dia neken’NY TOMPO ny fifonana natao ho an’ny tany ka nitsahatra tsy namely ny Israely intsony ilay areti-mandringana.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.